Hisy ny fanentanana lehibe hampafantarana ny zon’ny ankizy eny amin’ny Parvis Analakely ny 29 Novambra izao. Hetsika izay hitohy manerana ny Boriboritany 6 eto an-drenivohitra.

Fampahafantarana ny zon’ny ankizy

Mbola maro ireo zavatra miantraika amin’ny ankizy toy ny fanambadiana mialoha, ny tsy fianaran’ny ankizy, indrindra ny ankizy vavy. Ny olana eo amin’ny fanaovam-bakisiny hany ka maro ireo iharan’ny aretina samihafa. Eo ihany koa ny tsy fahazoana sakafo ara-dalàna toa ny nonon-dreny, ny rano…

Noho izany dia napetraka ny fihetsika fototra zay hiantsoroan’ny ankohonana (PFE) mba hahatonga azy ho fototry ny fampandrosoana any aoriana. 

Ao anatin’izay fampalalahana sy fampitomboana ny zon’ny ankizy izay dia misy vondrona ahitana ministera 6 miara miasa toy ny ministeran’ny Rano, ministeran’ny Mponina, ministeran’ny Fanabeazana, ministeran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ministeran’ny Atitany, ministeran’ny Fahasalamana, izay miaramiasa amin’ny Unicef. 

Eto Antananarivo no hanombohana azy ary hitohy manerana an’i Madagasikara. Hisy araka izany ny hetsika lehibe izay atao ka anisan’izany ny fanentanana miainga amin’ny “Voyage dans la vie de l’enfant”, izay entina hanentanana ny vahoaka rehetra tsy ankanavaka.

Hatomboka eny amin’ny Parvis Analakely izy io ny faha 29 Novambra izao, ary hitety ny Boroboritany 6 eto an-drenivohitra

Nisy ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, nentina nampahafantatra ny hetsika izay hotanterahina ny 29 novambra izao etsy aminn’y Parvis Analakely.
cc : Toria Dimbiniaina

Fihetsika fototra izay hiantsoroan’ny ankohonana

Misy ny fihetsika fototra 17 izay napetraka ho tanterahina eo anivon’ny ankohonana (FPE) ka 6 no hanombohana azy toa ny fampinonoana ny zaza vao teraka ka hatramin’ny enimbolana, ny fahazoan’ny ankizy sakafo fototra ara-pahasalamana, fanaovana vaksiny, ny fanasana tanana amin’ny savony, ny fanampiana ny ankizy mba ahavita farafahatarany ny CEPE, ny fiarovana ny ankizy amin’ny herisetra ara-nofo sy fanambadiana aloha loatra. 

Vondrona maromaro no hanao azy ka tafiditra ao anatin’izany ny Ray aman-drenin’ny ankizy, ny mpampianatra izay tokony hanampy ny ray aman-dreniny amin’ny fampiharana ny zony.

Marihina fa ny famolavolana ny ankizy hatramin’ny fahakeliny dia ahatonga azy ho fototry ny fandrosoan’ny Fiarahamonina.

Tsiahivina fa efa nisy ny fiantsoana ny fikambanana (OSC), ny Ray aman-dreny ara-drazana, ny mpanao gazety handray anjara amin’ny PFE.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: