Matetika mora amin’ny olon-dehibe ny manakiana ireo ankizy, tanora ankehitriny hoe « zaza ratsy taiza ? » Iza anefa no nitaiza azy ireo fa tsy ireo ray aman-dreny sy raiamandreny ireo ihany.

« Ny hazo no vanon-ko lakana, hono, ny tany naniriany no tsara » ary raha ny mifanohitra amin’izay no jerena, « zana-borondolo, vorondolo, zana-boromanga, voromanga ». Izany hoe matoa ny zaza iray tsy vanon-ko olona dia ireo ray aman-dreny no tsy nahefa tsara ny fanabeazana azy.

Fa iza àry no nitaiza ?

Mailaka ery ity renim-pianakaviana, namely tehamaina ity zanany sady nitabataba hoe « zaza ratsy taiza ! ». Tsy dia fantatro loatra izay nataon’ity adolantsento, eo amin’ny 15 taona eo ho eo, ka nahatonga ny reniny hanafay azy toy izany. Sanatria amiko ny hanakiana be fahatany fa te-handinika aho, te-handalina ny antony mahatonga ny toe-javatra toy izany, izay fahita matetika eny amin’ny fiarahamonina eny.

Nilaza izany ilay reny satria, tsy izy tokoa no nitaiza io tovolahy io na dia zanany naterany aza io. Indramiko kely ny tononkiran-dRaboussa, mpiangaly rap gasy malaza, anazavako an’izay :

« ny lalana no nitaiza, ny arabe no nitondra ».

Raboussa
Noël
cc: Pixabay/Fifaliana Joy

Miala maraina ao an-trano io vehivavy io sy ny vadiny mba hivarotra eny an-tsena, mandalo ao ihany izy indraindray ny atoandro fa hariva maty masoandro no tena fotoana fodiany. Nanomboka 2 taona teo ny zanany no nanao toy izany ravehivavy. Mankaiza ary ilay bandikely rehefa tsy eo ny ray aman-dreniny ? Mivenjivenjy eran’ny tanàna, milalao miaraka amin’ny ankizy madinika na milafika any an-tranon’ny mpifanolobodirindrina. Izay no zava-miseho satria mafiady ilay fianakaviana.

Raha ao amin’ny ankohonan’ny manan-katao kosa, miala maraina i dada sy i neny. Aterin’ny mpitaiza azy any amin’ny akany ilay zaza, any no misakafo atoandro ary tsenain’ilay mpitaiza ihany ny hariva. Efa maizina ny andro vao miditry ny trano ireo ray aman-dreny. Reraka, valaky ny asa, dia tsy mahavita miresaka na milalao amin-janany akory raha tsy fotoana vitsy monja. Dia tahaka izany no fiainan’izy mianakavy mandra-pahalehibe ny zaza, saingy ny akany miova ho sekoly, ny sekoly mivadika ho kolejy, ny kolejy miakatra ho anjerimanontolo. Mitombo taona sy mitombo saina eny ilay zanany.

Ny olana eo amin’ny fanabeazana

Raha zohina dia ny fiarahamonina, ny manodidina, ny akany sy ny sekoly no tena nitaiza ny zaza ka omena tsiny ary ve ireo niteraka raha hanatsatso hoe « zaza ratsy taiza ? » Marina fa natao hanabe ny ankizy ireo sokajy isan-karazany ireo saingy ny ray aman-dreny no tokony voalohan-daharana amin’izany.

Tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, noterena nianatra ny tenin’ny mpanjanaka ireo ankizy tany an-tsekoly. Ny kolontsaina, ny literatiora ary ny teny malagasy dia natao toy ny tsy nisy mihitsy. Na dia teo aza izany,

« Ireo fahalalana ny fototry ny kolontsaina dia notovozinay tany an-trano na teny amin’ny fiainana andavanandro teny. Namonto anay ny kolontsaina malagasy tamin’ny famirapiratany.  Niainanay isan’andro ilay soatoavina malagasy. Nahazo vahana tao anatinay izy noho ny fifaneraseranay tamin’ny tontolo manodidina anay »

hoy i Jacques Rabemananjara.

Azo lazaina fa mbola soa ny fiarahamonina tamin’izany fotoana izany, nahavita ny adidiny tamin’ny fampitana ny soatoavina ny ray aman-dreny ka takona ny haratsin’ny rafi-pampianarana.

Ankehitriny kosa, mitsingalamboangidina ny fiarahamonina, tsizarizary ny rafi-pampianarana ary milavo lefona ny ray aman-dreny. Ho aiza ary ireo zaza, ireo ankizy ary ireo tanora ?

« Zanaky ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny ny tsy fanarahan-dalana. Tsy misy jomaka hatrany an-kibon-dreniny fa isika fiarahamonina no miteraka azy ireny ».

Hoy Bekoto amin’ny fampidirana ilay hirany « Lendrema » :
zaza ratsy taiza
Isika fiarahamonina no miteraka ireny jomaka ireny
cc : Pixabay

Adidy ifarimbonana ny fanabeazana

Tsy adidin’ny ray aman-dreny samirery na an’ny fiarahamonina na an’ny sekoly irery ny fanabeazana ny zanaka Malagasy. Ny rehetra no tokony hitondra ny anjara birikiny amin’izany ary manomboka amin’ireo niteraka izany. Hatrany amin’ny fahakeliny ny zaza dia efa zarina amin’izay toetra tsara tokony hananany. Andry lehibe iankinan’ny fivelarana ara-tsaina sy ara-panahin’ny zaza ny fananany ray aman-dreny akaiky azy sy eo amin’ny fotoana itadiavany azy.

« Raha ohatra sendra tsy eo foana i dada sy i neny rehefa hendry iny ilay zanakareo. Hikaroka hevitra anehoana ditra sy toetra ratsy lalandava ilay katita kely mba hitazonana anareo na hiverenanareo eo akaikiny rehefa milalao izy. »

Hoy indrindra i Jerry Wickkoff, manam-pahaizana manokana momba ny psykolojiam-pianakaviana

Any amin’ilay Antananarivo nofinofy tantarain’i Mose Njo, ao amin’ny boky « Lisy mianjoria », ny olon-drehetra no miara-misalahy mba haha-vanona ny zaza iray. Izany no nahatonga io tanàna io mirindra sy milamina, ny olona ao aminy mifanaja sy mandàla ny soatoavina malagasy. Eny hatramin’ny haino aman-jery aza dia manana andraikitra amin’izany :

« Haino aman-jery izay tokony hanabe voho ny fanabeazana aman-kolontsaina ho tonga olom-banona sy lian-karokaroka hatrany sady mampialavoly ihany mazava ho azy. »

Mose Njo
Mila fanabeazana ny zanaka Malagasy
cc : Pixabay

Ndeha ary ho ataontsika laharam-pahamehana ny fanabeazana ireo zandry sy zanaka. Ekena fa eo ny fitadiavana sy ny tsindry maro samihafa saingy tsy maintsy mikiry raha te-hanana ny soa. Ndeha hahafoy fotoana hampitana amin’ireo solofo dimbin’ny ala ny soatoavina malagasy sy ny fahendrena maha-olona.

Voniary


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: