Last updated on janvier 9, 2020
Jeneraly handeha hisotro ronono miisa 5 no natao veloma androany teny amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava.
Fanaovam-beloma ireo Manamboninahitra hisotro ronono

Tontosa ny Alakamisy 12 desambra 2019 tao amin’ny Toby Jeneraly Richard Ratsimandrava tamin’ny 9 ora maraina ny lanonana ara-miaramila ho fanaovam-beloma ireo Manamboninahitra jeneraly handeha hisotro ronono amin’ity taona 2019 ity.
Ny Général de Corps d’armée Richard Ravalomanana, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria moa dia tsy afaka nitarika ny lanonana noho ny antony arak’asa any ampitan-dranomasina, ka horonam-peo no nalefany mivantana ho fitsofan-drano sy firarian-tsoa ireo handeha hisotro ronono.
Ny lanonana dia teo ambanin’ny fitarihan’ny Jeneraly, komandin’ny Zandarimariam-pirenena, notronin’ireo Manamboninahitra sivily sy miaramila.
Dimy mirahalahy ireo Manamboninahitra jeneraly hisotro ronono tonga niatrika ny lanonana dia ny jeneraly isany komandin’ny Zandarimaria fahiny miisa roa: François Rodin Rakoto sy Jean de Dieu Daniel Ramiandrisoa izay samy notolorana sabatra ho mari-pahatsiarovana.
Teo ihany koa ireo Jeneraly nitazona andraikitra ambony teto anivon’ny Zandarimaria dia ny Jeneraly isany Lumène Rasolofo sy Herman Maka ary Léonard Auguste Manjakavelo.
Fisaorana sy firariantsoa no nasetrin’ny komandin’ny Zandarimaria tamin’ny anjara fitenenany. Nanambara ihany koa izy fa ny volana janoary hoavy izao indray no hanaovana veloma ireo manamboninahitra sy manam-boninahitra lefitra izay mandeha misotro ronono taona 2019.

Nandritra ny fifandimbiasam-pitenenana dia nanolotra taratasin-tsolika ho an’ny Zandarimaria ny Jeneraly Jeannot Reribake, Tale jeneralin’ny ATT, mba ho fanampiana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny lalam-pirenena.
Toria Dimbiniaina