Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Zandarimariam-pirenena – Nanolotra fitaovana ny SMTP

Book News 0

Last updated on juin 4, 2019

Nanolotra fitaovana tamin’ny Zandarimariam-pirenena ny SMTP.

Nahazo fitaovana avy tamin’ny SMTP ny Zandarimariam-pirenena

Nanolotra 50 « panneaux Halte gendarmerie » sy 60 « rouleaux bandes de securité » ho an’ny Zandarimaria ny Vondrona Société malgache de transformation des plastiques (SMTP), omaly, tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava.

Izao no natao dia mba ho fanamorana ny fanatanterahana ny asa fiarovana ataon’ny Zandary andavan’andro.

Santionany amin’ireo fitaovana natolotry ny SMTP ny zandarimariam-pirenena.
cc : Toria Dimbiniaina

Nilaza ny Tale jeneraly SMTP nandritra ny fanolorana fa efa 20 taona niaraha-niasa tamin’ny Zandarimaria ny Groupe SMTP ka ho mariky ny firalahiana eo amin’ny roa tonta dia am-pitiavana no anolorana ireo fitaovana ireo.

Teo am-pisaorana kosa ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny Jeneraly Ravalomanana Richard dia nanamafy fa marika hita maso amin’ny fahatokisana ny zandarmaria izao, ho fanohanana ihany koa ny ezaka atao eo am-panatanterahana ny asa. Manao ny ainy tsy ho zavatra mantsy ny Zandary amin’ny fiarovana ny olona sy ny fananany.

Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ny Jeneraly Ravalomanana Richard fa « vonona hanantanteraka ny asany ny zandary ».

Ireto farany izay mahasahy mandray andraikitra. Porofon’izany ny fisan’ireo zandary miisa 37 mpiray tsikombakomba amin’ny mpanao ratsy efa midoboka am-ponja amin’izao. Ny zandarimaria ihany koa dia manolotra ny ainy amin’ny fanatanterahany ny asany. Manoloana izany indrindra dia hisy « prime » omen’ny Fitondram-panjakana ireo izay manolotra ny ainy toa ny nahavita ny asa tsara na ny « acte de bravoure ».

Ankoatra izay dia nilaza ihany koa ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena fa  » efa manomboka ny fampiharana ny « aire de repos sécurisé », izay napetraka ao Ambalamanakana ary hitohy amin’ny Faritra hafa ». Ity farany izay tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Nirina Rajoelina.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.