Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

“Youth Leadership Seminar Antsiranana”: atosika ireo tanora handray anjara amin’ny fiainam-pirenena

Book News 0

Last updated on novembre 2, 2017

Miezaka hatrany manandratra ny demokrasia sy manosika ireo tanora handray andraikitra ny fikambanana Friedrich-Ebert Stiftung sy ny Liberty 32. Hisy noho izany ny fampiofanana tanora 30 avy amin’ny faritra Sava sy Diana mandritra ny “Youth Leadership Seminar Antsiranana 2017”.

Mila atosika ireo tanora hitarika sy hitondra fiovana

 Hanofana tanora 30 lahy sy vavy avy amin’ny faritra Diana sy Sava ny Friedrich Ebert Stiftung sy ny fikambanana Liberty 32 amin’iny volana novambra iny. Fampiofanana ireo tanora malagasy mba hahay handinika ny politika sy ny fiainam-pirenena sy hahay hametraka ny toeran’izy ireo manolona izany no hatao mandritra ny efatra andro. Hahay hampiasa ireo paikady hitarihana sy hiseraserana aman’olona, hanana ny fomba fijeriny manokana sy  hahay hametraka izany fomba fijery izany, hitondra “ainga vao” na “nouveau soufflé” eo amin’ny fiarahamonina ary hahay hanentana ara-politika, sosialy sy ekonomika ihany koa ireo tanora voaofana amin’izany. Homena fitenenana ihany koa ireo tanora hilaza ny heviny sy hanome soso-kevitra manoloana ireo zava-miseho maro eto amin’ny firenena ankehitriny, hoy ny filazana avy amin’ny FES. Tsapa tokoa manko fa tsy dia mahazo ny anjara fitenenany ary somary mihataka amin’ny fiainam-pirenena mihitsy ny tanora malagasy ankehitriny, na ireo eto an-drenivohitra na ny any amin’ny faritra. Tsy ampy tosika koa izy ireo ka na dia manana hevitra sy soso-kevitra tsara aza indraindray dia toa mora kivy sy zary lasa tsy dia omen’ny fiarahamonina lanja, ka lasa mandevin-kevitra sy manaotao foana ary mora tarihina amin’ny hevi-diso. Noho izany, ireo tanora mahatsapa fa voahilikilika na manana tetikasa sy eritreritra mba te hitondra fiovana eto Madagasikara dia antsoina manokana handray anjara amin’ity fampiofanana ity. Indro ary ny fomba fandraisana anjara amin’izany.

Fisoratana anarana

 Ireo tanora rehetra mipetraka ao amin’ireo faritra Sava na Diana, 23 ka hatramin’ny 35 taona, mahay miteny malagasy sy frantsay, manana ny mari-pahaizana Bakalorea+2, mahatsiaro fa te hitondra fiovana ary vonona handray andraikitra manolona izany, dia afaka misoratra anarana. Afaka mandefa mailaka amin’ny alalan’ny yltp@fes-madagascar.org na manatitra ny taratasy eny amin’ny Radio Faniry Diego na Radio Faniry Sava ao Sambava ireo te hisoratra anarana. Ao amin’ny adiresy http://bit.ly/2ka9psg ny taratasy fisoratana anarana. Amin’ny 13 oktobra izao no faran’ny fandraisana ireo antontan-taratasy.

Tiasy

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.