Tontosa soa aman-tsara ny hetsika « Za mizara Fitiavana » nokarakarain’ny Fikambanana Yali teny amin’ny EPP Analamahitsy ny Sabotsy 16 febroary 2019.
« Za mizara fitiavana »

cc: Sary nindramina
Nofaranana ny Sabotsy 16 febroary 2019 lasa teo ny hetsika « Za mizara Fitiavana », nokarakarain’ny Fikambanana Yali (Young African Leaders Initiative). Hetsika izay nanambarana ireo ankizy telo (3) voalohany nandresy tamin’ny fifaninana manao sary momban’ny fifidianana. Ireto avy ireo ankizy telo voalohany :
– Cynthia Niriantsoa Randrianarison (EPP 67 HA Nord)
– Laurencia Christelle Ranaivoson ( EPP Analamahitsy Cité)
– Paula (EPP Antetezana Afovoany).
Ankizy miisa 40 avy amin’ireo EPP 20 eto Antananarivo no nandray anjara tamin’ity fifaninana ity. Tanjona tamin’izao hetsika izao ny fampidirana ny ankizy eo amin’ny sehatry ny fifaninana. Eo ihany koa ny fampandraisana andraikitra sahady ny ankizy eo amin’ny fiainam-pirenenana. Natao ihany koa izao hetsika izao mba hamantarana ny fomba fijerin’ny ankizy ny fifidianana.
Nisy ny fanomezana avy amin’ny Yali Chapter sy ny orinasa Socolait sy ny orinasa Airtel ary ireo fikambanana mpiaramiasa toa ny Green N Kool sy ny Clair de Lune Madagascar ho an’ireo ankizy nandresy.
Hotohin’izao tetikasa izao dia hisy ny fandokoana ny EPP misy ilay ankizy nahazo ny voalohany, izay EPP 67 HA Nord izany.
Hitohy any Moramanga ny « Za mizara Fitiavana » afaka herinandro vitsivitsy.
Toria Dimbiniaina