Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Vonjeo ny orinasa Malagasy

Book News 0

Last updated on mai 1, 2019

Folo taona lasa izay, namokatra bodofotsy miisa 1 200 000 isan-taona ny SOMACOU. Ankehitriny kosa, lasa 150 000 isa isan-taona sisa ny bodofotsy avoakany. Santionany iray amin’ny ireo orinasa Malagasy mizaka ny tsy eran’ny ainy ny SOMACOU noho ny afitsoky ny fampidirana entana avy any ivelany tsy am-piheverana.

Ny SOMACOU sy ny bodofotsy sinoa

Vao herinandro lasa izay, nanatanteraka arohevitra teo anatrehan’ny fampanoavana tao amin’ny Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales (ANMCC) ny Société Malgache de Couverture (SOMACOU) manoloana ny fivondronan’ireo mpisehatra sinoa eo amin’ny tontolon’ny lamba (Chambre de Commerce chinoise pour l’import-export de textiles na CCCT) araka ny notaterin’ny L’Express de Madagascar tamin’ny Sabotsy 12 Martsa lasa teo. Tonga eto Madagasikara mihitsy ireo sinoa mba hiaro ny tombontsoany sy hanohana ny heviny mikasika ny fampiroboroboana ny fampidirana bodofotsy eto amintsika. Marihina anefa fa efa ny 90 isan-jaton’ny bodofotsy amidy eto Madagasikara no avy any ivelany avokoa.

Ny nahavelom-bolo dia tsy nanaiky lembenana velively ny SOMACOU, izay notohan’ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM). Ny hevi-dehibe netin’izy ireo nanohitra tamin’izany dia ny faharatsian’ny kalitaon’ireo bodofotsy vokarin’ny sinoa izay tsy vita amin’ny akora natoraly akory. Manoloana izany anefa ny vita Malagasy dia vokarina avy amin’ny hasy ary ahodina ao anatin’ny fanaraham-penitra tanteraka.

Santionany amin’ireo bodofotsy vokarin’ny SOMACOU
cc : SOMACOU

Anarana sisa

Ohatra iray ao anatin’ny maro io, hoy aho ! Raha ireo orinasa vaventy tamin’ny vaninandro niroboroboan’ny indostria teto Madagasikara manko no asian-dresaka dia efa ho lany tamingana izy ireny. Amin’izao fotoana izao, toy izao ny manjo ny ankamaroan’izy ireny : raha tsy mitsipozipozy dia anarana sisa no fantatry ny taranaka aty aoriana . Toy izany ny COTONA, SOTEMA, ROSO, sns.

Tsy manana antontanisa mazava aho fa azo heverina fa nihena farafahakeliny 50 % ny mpiasa tao amin’ny SOMACOU manoloana io fitontongan’ny famokarana efa ho 10 % sisa io. Lasa aiza izany ireo mpiasa taloha ? Nefa tsy zoviana fa mpamakilay teo amin’ny sehatry ny famokarana bodofotsy sy lamba fampiasa ao an-tokantrano ary anisan’ireo orinasa natanjaka indrindra teto Madagasikara ny SOMACOU. Tsy izany ihany fa tsy mena-mitaha ny entana avoakany raha ny kalitao no jerena. Ankehitriny, tsy vitan’ny very asa ny ankamaroan’ny mpiasa tao fa fiaton’ny fiara fitateram-bahoaka sisa no tena ahafantaran’ny maro ny hoe SOMACOU amin’iny làlana mianavaratra iny.

Iza no hiaro ny orinasa Malagasy ?

« Tsy misy zava-mananaina afaka hivelona raha hampidiriny ao aminy daholo izay zavatra rehetra avy aty ivelany » hoy ny mpahay toe-karena iray izay. Tsy maintsy misafidy izay mahasoa azy sy fantany fa hamelona azy izy. Toy izany koa ny fampidirana entana ao amin’ny firenena iray. Ireo firenen-dehibe, izay milaza fa mampihatra ny politikan’ny fahalalahana ka manery antsika hanao toy izany, dia mametraka sivana mahery vaika manoloana ny entana avy any ivelany mba hiarovany ny mponina ao aminy sy ny orinasany. Fa isika indrisy, sodokan’ny mena miraviravy ny mpitondra antsika ka rehefa voasonia izay fifanarahana any ambadimbadika any dia mitosaka izao fatin’entana rehetra avy any ivelany izao hatramin’ny ny sakafo lany daty sy misy soratra tsy hay vakiana, eny hatramin’ny fatin-damban-dry zareo vazaha aza.

Anisany mampiavaka an’i Donald Trump, filoha amerikanina ankehitriny, ny finiavany hametraka sivana amin’ireo entana miditra ao amin’ny taniny amin’ny alalan’ny fametrahana haban-tseranana avo, na antsoina hoe proteksionisma. Paikady iray hiarovana ireo mpamokatra ao aminy izany. Aiza ho aiza ny antsika Malagasy amin’izany !

« Raha ny marina aza, tokony ho nohidiana mihitsy ny varavarana rehetra tsy hahafahan’ny entana avy any ivelany miditra aloha mandritra ny fotoana voafetra, hahitana izay mety ho vita eto an-toerana sy ny tsy mety ho vita . » Hoy E. D. Andriamalala. Hevitra iray koa izay, saingy ny fanatanterahana azy no mety ho sarotra.

Zovy ary no andrasantsika hiaro ny orinasantsika, ireo Malagasy iray rà amintsika nanangana ny orinasa ary ireo izay miasa ao sy ireo olona maro mety hahazo tombontsoa amin’ny fiaraha-miasa aminy ? Isika tsirairay avy ihany no tompon’andraikitra voalohany amin’ny fiarovana ny antsika amin’ny alalan’ny fanjifana ny vita Malagasy. Ny politikam-panjakana eo ihany fa ny Malagasy tsirairay mihitsy no entanina hanana ilay toe-tsaina mankamamy ny vokatra avy eto an-toerana mba hampandroso ny toe-karentsika.

Sary famantarana ny SIM
cc : SIM

Mbola hitohy ny fiatrehan’ny SOMACOU ny fampanoavana satria mbola nahazo fetrandro hatramin’ny 31 Martsa ny sinoa hitondrana porofo hanatevenana ny fanohanan-keviny. Mety tsy misy azontsika olon-tsotra atao manoloana izany fa anisan’ny endrika iray fanohanana ny orinasa Malagasy tahaka itony kosa anefa ny fanjifana ny vita Malagasy.

Voniary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.