Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Vondron’ny mpanakanto ara-pilazantsara – Nitondra am-bavaka ny Firenena

Nanasa ireo Kandida hilatsaka ho fidina Filoham-pirenena ny Fikambanan’ny mpanakanto ara-pilazantsara ny Alarobia teo teny By Pass.

Ao anatin’ny vanim-potoana ny fifidianana isika izao. Noho izany dia nitondra am-bavaka ny firenena ny vondro’ny mpanakanto ara-pilazantsara na ny VAE. Nisy ny fanasana ireo Kandida ho filoham-pirenena. Ireto farany izay nandefa solotena nandritra io hetsika io. Tanjona ny hisian’ny filaminana mandritra izao fifidianana izao.
Tsy miandany na manohana Kandida ny VAE fa mitondra am-bavaka azy ireo. Mahatsapa ny VAE fa samy zanak’Andriamanitra avokoa ny rehetra.
Tsy tokony ho variana hifampitsikera fa hitondra am-bavaka ho an’i Madagasikara ny rehetra.