Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Tsy fandriampahalemana: samy miaro ny ainy.

Tiasoa 0

Last updated on septembre 5, 2017

Mirongatra tanteraka ny asa fanafihana sy ny haro-paosy ary ny sinto-mahery eto Andrenivohitra. Mandry andriranantsy ny mponina na any an-trano, na eny an-dalana. Anisan’ny tranga mampitebiteby ny olona tato ato ny fanafihana any anaty taxi-be.

Manao andiany ireo olon-dratsy miakatra amin’ireny fiara fitanteram-bahoaka ireny, manambana fitaovam-piadiana ireo mpandeha ka maka izay entana rehetra eny amin’izy ireo. Manampatra ny heriny tanteraka ireo olon-dratsy ka ny hany sisa azo atao, manome izay ilainy mba hiarovana ny aina. Milaza fa handray andrakitra ary efa manao hetsika hisamborana ireo olon-dratsy ny tomponandraikitra sy ireo mpitandro ny filaminana manoloana ny tsy fandriampahalemana rehetra miseho. Amin’ny ankapobeny, misy tokoa ny hetsika toy ny fisafoana any amin’ireo toerana mafampana, saingy tsy voafehin’ireo mpitandro ny filaminana intsony ny zava-misy. Ny tena mampalahelo, ireo olona manan-katao sy ireo vahiny toy ny karana no tena voaaron’ny mpitandron’ny filaminana. Maro amin’ireo polisy manko no  miasa manao “gardiennage” any amin’ireo mpanam-bola ka miandry aloha ny asam-panjakana. Asa izay natao hiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Samy miaro ny ainy ny rehetra, ka ny mpanambola mampiasa ny volany hanakaramana mpiambina mba hiarovana ny ankohonany. Ireo vahoaka madinika kosa, miezaka mifampiraharaha amin’ny fokontany ka misy ny fametrahana vavahady isaky ny kihon-dalana mba tsy hahafahan’ireo mpanao ratsy miditra ao an-tanana. Misy ihany koa ireo fokontany no miezaka manentana ireo vatan-dehilahy mba hanao andrimasom-pokonolona. Mihatra aman’aina anefa ity asa ity. Tsy mifandanja ny hery hampiasain’ireo jiolahy sy ireo vatan-dehilahy. “Baton” sy “sifflet” ihany no hany fitaovana eo ampelatanana sy afaka ampiasain’ ireo lehilahy manolon-tena hiambina ka mihemotra izy ireo rehefa mifanehatra amin’ny olon-dratsy mba ho fiarovana ny ainy. Fitaovana mahery vaika toy ny sabatra sy basy no ampiasain’ireo jiolahy, basy izay matetika an’ny mpitandron’ny filaminana ihany.Misy amin’ireo mpitandron’ny filaminana no miray tsikombakomba amin’ireo jiolahy ka anisany tena tsy mahafoana ny asa ratsy eto amintsika. Etsy andaniny , teboka faharoa mampirongatra ny fanendahana sy ny fanafihana ihany koa ny fahantrana lalina iainan’ny vahoaka Malagasy. Tsy misy ny asa ka maka ny izay nisasaran’ny hafa no hamenon’ireo olona sasany ny banga ao aminy. Miha ratsy tanteraka ny fiainana eto Madagasikara, ireo mpitondra anefa minia tsy mahita ny fahorian’ireo vahoaka ao aminy. Ny kabary ambony latabatra sy ny fitadiavana ny tombontsoany no maha maika azy ireo.

 

Ony Ranaivoson

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.