Laharam-pahamehana ho an’ny kandida Solombavambahoaka Tsilavina Rakotoarisoa ny fijerena ny hetahetan’ny vahoaka fa tsy ny an’olon-tokana na ny an’ny antoko.

Tombontsoan’ny vahoaka

Fijerevana ny tombontsoan’ny vahoaka fa tsy ny an’olona tokana. Izay no filamatry ny kandidà Tsilavina Rakotoarisoa, mirotsaka hofidiana ho solombavambahoaka ao amin’ny Boriborintany fahatelo.

tsilavina rakotoarisoa
Kandida mahaleo tena ary mbola tanora tokoa i Tsilavina Rakotoarisoa. cc: Toria Dimbiniaina

Anisan’ny mampiavaka an’ity kandidà ity ny hatanorany. Izy no zandriny indrindra amin’ny kandida lehilahy ato anatin’ny faritra Analamanga. Mampiavaka azy ihany koa ny maha tsy miankina azy, ny maha akaikin’ny vahoaka azy ary ny famerenany ny soatoavina malagasy. Nilaza izy fa “mila olona avy amin’ny vahoaka, voafehin’ny vahoaka fa tsy voafehin’ny antoko isika. Noho izany dia nilatsaka amin’ny alalan’ny mahaleo tena”.

Tsiahivina fa manohana ny kandida ny Firaisan’ny “Activistes” eto Madagasikara na ny GAM. Fikambanana maherin’ny 40 no manohana azy amin’izao fifidianana izao. Nanamafy ny tenany fa tsy ho sakana amin’ny fampandrosoana ataon’ny Fitondram-panjakana raha toa ka lany ho Solombavambahoaka.

Tsy adinony ihany koa ny nanentana ny olom-pirenena rehetra hifidy amin’ny 27 May 2019, indrindra fa hifidy ny kandida laharana faha 06 Tsilavina Rakotoarisoa.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: