Fitaovana hiarovana ny ankizy ny tranonkala Arozaza. Nampahafantarina nandritra ny fotoana famaranana tamin’ny fomba ofisialy ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy izany ny Talata lasa teo.

Fanatsarana ny tranonkala Arozaza

Nampahafantarina ny Talata 30 Jona 2020 teo fa ho hatsaraina ny tranonkala Arozaza. Ity tranonkala ity dia fitaovana entina hiadiana amin’ny herisetra hatao amin’ny ankizy hiarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny Polisim-pirenena, ny Zandarimaria, ny Unicef ary ireo mpiara-miombon’antoka.

Izany dia mifandraika amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momban’ny zon’ny ankizy ka nankatoavin’i Madagasikara. Tsara ny manamarika fa ahitana ireo vaovao sy lalàna samihafa momban’ny fiarovana ny zon’ny ankizy io tranonkala io.

Tsiahivina fa efa nisy hatramin’ny ela ny tranonkala saingy nohatsaraina ny endrika. Ankoatra izay dia nasiana teny malagasy ihany koa izany mba ahafahan’ny olon-drehetra mampiasa azy. Hapetraka ao amin’ny Ministera moa ity tranonkala ity.

arozaza
Naharimamy Lucien Irmah, ministry ny Mponina. cc: Ministeran’ny Mponina

Famaranana ny iray volan’ny ankizy

« Ankizy misitraka ny zony, antoky ny ho avy mamiratry ny Firenena », io no lohahevitra nentina nankalaza ny iray volan’ny ankizy 2020.

Ankoatra izay dia nisy ny fandaharana sy fanentanana natao tamin’ny haino aman-jery manerana ny nosy nanamarihana ny iray volan’ny ankizy nandritra ny fisokafan’ny fifaninanana ny 5 jona ka hatramin’ny 15 jona 2020. Nambara ofisialy nandritra io fotoana famaranana io teny amin’ny Minisiteran’ny Mponina Ambohijatovo ny vokatry ny fifaninanana tononkalo sy sary nanamarihana izao iray volan’ny ankizy 2020 izao.

Tonga nanatrika izany ireo tompon’andraikitra teo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina izay notarihin’ny Minisitra Naharimamy Lucien Irmah, ny solontenan’ny Unicef, ny solontenan’ny Bianco sy ireo nitsara ny fifaninanana.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: