Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Tily Eto Madagasikara: manome fampiofanana amin’ny endriny vaovao

Book News 0

Last updated on mai 19, 2018

Amin’ny endriny vaovao no hanofanana ireo mpanofana mpanampy amin’ity taona ity eo anivon’ny Tily Eto Madagasikara. Nanomboka ny sabotsy lasa teo izany fampiofanana izany.

English version avalaible on https://booknews.today/new-training-approach-tily-eto-madagasikara/

Version française disponible sur https://booknews.today/nouvelle-approche-formation-tily-eto-madagasikara

Fampiofanana ireo mpanofana mpanampy

Fampiofanana amin’ny endriny vaovao no omena eo anivon’ny Tily Eto Madagasikara na TEM, amin’ity taona ity. Nanomboka ny sabotsy 27 janoary 2018 lasa teo ny fampiofanana ireo mpanofana mpanampy teny Iavoambony, faritra Analamanga-Avaratra. Nisy ny lanonana fanokafana araka izany. Hitohy hatramin’ny volana martsa ny fampiofanana.

« Fampiofanana karakarain’ny departemantam-pampiofanana eo anivon’ny fikambanana nasionaly Tily Eto Madagasikara io fampiofanana io. Haharitra 9 herinandro, nanomboka ny herinandron’ny 22 janoary teo, izy io », hoy ny fanazavana azo avy amin’i Tsiory Rakotomavo, mpiandraikitra ny fampiofanana.

Ny fampiofanana dia omena ireo olon-dehibe eo anivon’ny fikambanana nasionalin’ny skoto (ASN) sy/na ny fivondronambe nasionaly (OSN). Marihina fa ireo manaraka fiofanana ireo dia ireo “olon-dehibe” ao amin’ny fikambanana, izany hoe ireo olona mitana anjara andraikitra amin’ny fanabeazana ny skoto eo amin’ny sehatry ny faritra misy azy na eo amin’ny sehatra nasionaly mihitsy.

Olon-dehibe 19 no ofanina amin’izany, ahitana vehivavy 6 sy lehilahy 13, avy amin’ny faritra Analamanga(1), Atsinanana sy Alaotra Mangoro. Mpampiofana maromaro no hampita ny fahaizan’izy ireo avy, arakaraka ny lohahevitra dinihana: skotisma, fanofanana, serasera sy fifandraisana ary fibeazan-tenan’ny tsirairay, lohahevitra ankapobeny, fampivelarana ara-tsaina sy fandinihana Soratra masina, ary ny lohahevitra ankapobeny: zon’olombelona, fiarovana ny tontolo iainana, fomba fitondran-tena manoloana ny fiovan’ny toetr’andro…

Tily Eto Madagasikara
Nanomboka ny sabotsy lasa teo ny fampiofanana.
cc: Tily Eto Madagasikara

Araka ny fanazavan’i Tsiory Rakotomavo, ny fampiofanana dia entina hanatsarana ny fomba fampiofanana amin’ny ankapobeny rehefa tafavoaka soa aman-tsara ireto mpiofana ireto, sy hanome fampiofanana ihany koa any amin’ny sehatra misy azy tsirairay avy.

Ho fanatanterahana ny fampiofanana an-tsakany sy an-davany moa dia misy ny fiarahamiasa amin’ireo ministera misahana ny fanabeazana tanora sy ny ivon-toerana maro samihafa sy ny haino aman-jery.

Nanatrika ny lanonana fanokafana moa ny Filoha nasionalin’ny TEM, Michel Raoelijaona, nhy sabotsy lasa teo.

“Ny toe-tsaina miabo no tiana voizina. Tsy ampy ny manana zanaka mahay raha toa ka tsy manana fitiavan-tanindrazana, fahamarinana sy soatoavina enti-miaina izy”, hoy i Michel Raoelijaona.

Tily Eto Madagasikara

Ny fikambanana Tily Eto Madagasikara dia hita eo anivon’ireo sinoda 5: FJKM, EEM, FLM, METM sy FMTA. Ny tanjon’izy ireo dia ny hanabe ireo tanora sy zazalahy ho tonga vavolombelon’i Kristy, olom-pirenena vanona sy andrin’ny fianakaviana. Manodidina ny 65 000 ny isan’ireo skoto manerana ny Nosy ankehitriny.

Tiasy

 

(1) ho an’ny fikambanana Tily Eto Madagasikara, nozaraina faritra efatra ny faritra Analamanga: Analamanga avaratra, Analamanga atsinanana, Analamanga, atsimo, Analamanga afovoany et Analamanga Andrefana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.