Last updated on août 28, 2018
Tontosa ny fampiofanana ireo mpikambana avy ao amin’ny Tily eto Madagasikara, izay nanana endrika “modulaire”. Nofaranana tamin’ny “Agape” izany, ny Sabotsy 28 jolay lasa teo.
Famaranana ny fampiofanana tamin’ny alalan’ny “Agape”
Nofaranana ny Sabotsy 28 jolay lasa teo tany IFLA Iavoambony Lazaina, Antananarivo Avaradrano, ny fampiofanana “modulaire” ho an’ireo mpikambana avy ao amin’ny Tily eto Madagasikara (TEM). Mpikambana 22 avy amin’ny faritra fito eto Madagasikara sy mpikambana avy amin’ny ekipa nasionaly no niatrika izany.[amazon_link asins=’B073TYB2JB,B075MN179F,B07CVM9V3X,B071JSCWYS’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’6443055c-98d5-11e8-84e7-8784fbc81698′]
Nofaranana tamin’ny alalan’ny “Agape” ny fampiofanana, satria natao ho fotoana fiombonan’ny rehetra, araka ny fanazavana azo avy tamin’ny sampana serasera ao amin’ny TEM. « » Pratiques religieuses asiatiques » no lohahevitra niompanan’ilay fotoam-pifaliana, nahazoan’ny isam-bondrona nanao seho sehatra.
Nizara vondrona efatra moa ny mpiofana ka ireto avy no nofidian’izy ireo nanaovana seho sehatra : ny vondrona iray ny nampiseho ny foko SIKH any Inde sy ny fombam-pivavahany; ny vondrona faharoa dia naneho ny fomba fivavahana fanaon’ny « japonais », vondrona fahatelo dia naneho ny fomba fivavahan’ny taoisme; ny vondrona faha efatra kosa dia nisafidy ny haneho ny fanaon’ny « Moines ».
Niaraka tamin’ny fanamiana miavaka avokoa moa ireo seho natao.

cc: Book News Madagascar
Ny mpanofana sy ny mpitarika ny fiofanana dia naneho sy nanazava ny fomba mpivavahana fanao any Vietnam.
Anisan’ny nokendrena tamin’izany moa ny fitomboam-pahalalan’ny tsirairay sy ny fahafantarana mismisy kokoa ireo fomba fivavahana any amin’ny tany asiatika.
Fandrafetana boky
Tamin’io fotoana nanaovana fampivondronana io dia nisy fotoana manokana nanaovana dinika tamin’ny mpiofana tsirairay. Nahafa-po ny fampiofanana, araka ny nambaran’ireo mpiofana, ary ilaina tokoa hoy izy ireo ny fisian’ny mpanofana ivelan’ny fikambanana skoto.
Ankehitriny kosa dia hiroso amin’ny dingana manaraka ireo mpiofana, dia ny fandrafetana boky na “mémoire”, izay ahitana tetikasa iray sy vinavinam-pampiofanana iray, hampandrosoana ny fikambanana “Association scoute nationale Tily Eto Madagasikara”. Hisy ny tohan-kevitra aorian’izany.
Dingana fahatelo kosa ny fanatsarana ny boky aorian’ny fanaovana tohan-kevitra. Ary dingana fahefatra farany ny fanendrena ireo mpikambana ireo ho mpanofana, ka hahazo ny tapaporohana efatra na “4 badges de bois”, izay iombonan’ny skotisma rehetra eran -tany ho an’ny mpanofana.
Fampiofanana samihafa
Ho an’ny TAripanofanana TIly eto MAdagasikara kosa dia mbola mitohy hatrany ny fampiofanana.
Hisy ny fanofanana mpiandraikitra na « Camp de formation de troisième degré pour les responsables d’unités » miisa roa ny 27 jolay ka hatramin’ny 3 aogositra any Andapa, ary ny 2 hatramin’ny 9 aogositra any Anôsy.
Hisy koa ny fampiofanana mpanofana mpanampy miisa roa ka ny iray ao Betsiboka (7 ka hatramin’ny 13 aogositra izao) ny iray hafa kosa dia ao Atsimo-Andrefana, manomboka ny 13 ka hatramin’ny 18 aogositra 2018.
Hotanterahina ny 26 septambra 2018 kosa ny fihaonan’ny taripanofana manerana ny Nosy.