Ho an’ny fanatsarana ny tontolon’ny fahasalamana, ny fidiovana sy ny fahadiovana dia natsangana ny tetikasa vaovaon’ny Usaid, “Rano Wash”, izay hotanterahina eny anivon’ambanivohitra sy faritra maro eto Madagasikara.
Olona 600 000 hisitraka ny tetikasa « Rano Wash »
Ny olona manan-kilema, ny vehivavy sy ireo zazavavy ary ny olona marefo, ireo no hisitraka voalohany ny tetikasa « Rano Wash» mandritra ny 5 taona. Tetikasa izay vatsian’ny Sampandraharahan’i Etazonia Misahana ny Fampandrosoana Maneran-tany (USAID) vola, izay mitentina 30 tapitrisa dolara, hanatsarana ny fahazoana rano madio, fahadiovana sy fidiovana any amin’ny faritra ambanivohitr’i Madagasikara.[amazon_link asins=’B016JG3PMI,B073TYF4KT,B071RNYMCJ,B00H8OINYG’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’858ac1df-1b10-11e8-ae17-9fd0b7a75107′]
Araka ny fantatra dia fanampiana sy fiitsinjovana ny fahasalamana, ny fitandroana ny fahadiovana no tanjon’ity tetikasa ity izay ho hita any amin’ny faritra miisa 250 toy i : VatovavyFitovinany, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony ary Vakinankaratra.
“Manan-danja eo amin’ny fianantsika ny rano madio. Isika rehetra izao dia mila misotro rano, mandro, manasa lamba ary mitandrina tsara ny fahadiovana sy ny fahasalaman’ny zanatsika,” hoy Aaron Bishop,Tale Jeneraly mpisolo toeran’ny USAID, nandritra ny lanonam-panokafana ity tetikasa ity.
Araka ny vaovao azo avy amin’ny Masoivoho amerikana dia olona mahery ny 600.000 no hahazo tombon-tsoa amin’ity tetikasa ity. Voalaza tamin’izany fa 300.000 amin’ireo dia hahazo rano fisotro madio amin’ny alalan’ny tamba-jotra fitsinjarana izay miisa 140 izay tantanan’ny orinasa eto an-toerana ary hofanin’ny tetikasa. Hisy ihany koa ireo izay hisitraka foto-drafitr’asa fidiovana fidiovana amin’ny fanatsarana sy fanavaozana ny toeram-pidiovana sy fivoahana izay miisa 375.000. Ao ihany koa ny fanatsarana ireo rafi-panjakana toy ny tobim-pahasalamana sy ny sekoly izay miisa 190.

cc: Shahbaz Fawbush USAID Water Office
Paikady
Vondron’orinasa no hanatanteraka ny tetikasa « Rano Wash » na “Rural Access to New Opportunities in Water, Sanitation and Hygiene” (na fahazoana rano, fahadiovana sy fidiovana any ambanivohitra) izay tarihan’i Care, ary ahitana an’i Catholic Relief Services, Water Aid, Bush Proof sy Sandandrano. Hisy ihany koa ny fiara-miasa amin’ny Ministeran’ny Rano, ny Angovo sy ny Solika ary ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka hamolavolana ny paik’ady sy ny drafitr’asa ho enti-mandroso ny lahasa.
Nambara nandritra ny fisantarana ity tetikasa ity fa hohamafisina amin’izany ny fanaraha-maso sy fanaovana tombana amin’ny fanomezana fitaovana enti-miasa sy fampiofanana. Ny fiaraha-monim-pirenena sy ny mpiara-monina koa dia ho afaka manantena asa azo antoka, ampy sy taka-bola amin’ny alalan’ny tetikasa.
[amazon_link asins=’B016JG3PMI,B073TYF4KT,B071RNYMCJ,B00H8OINYG’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’858ac1df-1b10-11e8-ae17-9fd0b7a75107′]Nambara ihany koa fa hiara-hiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny tamba-jotran’ny mpanentana ara-pahasalamana amin’ny fanandratana fihetsika ara-pahasalamana toy ny fampiasana rano fisotro madio sy lava-piringa, fanasana tànana sy fitandroana ny fahadiovana, ny fahadiovana mandritra ny fadim-bolana ho an’ny zazavavy sy ny vehivavy, ny fihinanana sakafo madio ary ny fikarakarana ny fako ny tetikasa « Rano Wash ».
Hanatsara ny tontolon’ny fahasalamana eny ambanivohitra no tanjona apetrak’ity lahasa ity. Araka ny fanadihadiana izay natao tamin’ny taona 2016 dia manodidina ny antsasaky ny tokantrano ambanivohitra malagasy izany hoe 42% no tsy mampiasa lava-piringa raha 44% kosa no tsy mahazo rano fisotro madio.
Hoy ny Dr. Alain Randriamaherisoa, talen’ny tetikasa “ny finiavan’ny USAID, izay asehony amin’ny alalan’i « Rano Wash », dia hanatsara hatrany ny fahasalamana eo anivon’ny vahoaka malagasy. Manantena izahay fa hisy akony mavesa-danja eo amin’ny vitri-pamokarana, ny fahasalamana ary ny fiadanan-tsainan’ny vahoaka malagasy ity tetikasa ity, satria hihatsara sy ho matihanina hatrany ny asa WASH, hiova fihetsika hatrany ny mpiara-monina, ary hihatsara ny fitantanana sy ny fanaraha-maso ny sehatr’asa.”