Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Teti-bolan’ireo kandidà – Kandidà 5 no nameno ny taratasy fampahafantarana ny tontalim-bola ampiasainy

Book News 0

Last updated on novembre 26, 2018

Kandidà 5 tamin’ireo 36  nilatsaka hofidiana ho Filoham-pirenena no nameno ny  taratasy fampahafantarana ny tontalim-bola nampiasain’izy ireo tamin’ny fampielezan-kevitra. Taratasy izay nangatahan’ny fikambanana Transparency International hofenoina.

Kandidà 5 namoaka ny tontalin’ny teti-bolany

Ny 5 oktobra lasa teo no namoaka ny fangatahana ho an’ny fangaraharan’ny vola ampiasain’ireo kandidà ho filoham-pirenena mandritra ny fampielezan-kevitra ny fikambanana Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM). Nisy noho izany ny taratasy nangatahina hofenoin’ireo kandidà 36, saingy 35 ihany moa no tratra antso, araka ny fanazavan’ny TI-IM.

“Ny kandidà Imbeh Jovial Serge mantsy dia tsy tratra antson’ny TI-IM mihitsy na dia nampiasaina aza ny paikady rehetra mba hiresahana taminy”, hoy ny filazana.

Kandidà 5 araka izany no fantatra fa namerina ny taratasy niaraka tamin’ny teti-bola nazava:

–          Rasolofondraosolo Zafimahaleo “Dama”: 575.000 euros

–          Rabary Andrianirina Paul: 151.500 euros

–          Jean Omer Beriziky: 125.000 euros

–          Radilofe Mamy Richard: 37.500 euros

–          Zafivao Jean Louis: 26.250 euros

–          Tabera Randriamanantsoa: 70.690 euros

“Nisy kandidà roa hafa, dia i Fanirisoa Ernaivo sy i Radavidson Andriamparany Benjamin, nampanantena fa hamerina ny fisy, kanefa kosa tsy nanatanteraka izany”, hoy hatrany ny TI-IM.

Hita eto sahady ny elanelana eo amin’ny teti-bolan’ireo kandidàa tsirairay, ka miteraka tsy fitoviana eo amin’ny fampielezan-kevitra.

Ity hetsika nataon’ny TI-IM ity moa dia natao indrindra ametrahana ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra ary ny fahitsina eo amin’ny fifidianana.

Ny tanjona fototra tamin’ity hetsika ity moa dia ny:

–          hampahafantatra ny olompirenena malagasy ny fomba amam-panaon’ny kandidà tsirairay mba hahazahoan’izy ireo misafidy ankahalalahana

–          hitsapàna ny tena finiavan’ny kandidà haneho ny mangarahara sy ny fandalàny izany.

Lavitra ny lalana

Manoloana ny zava-miseho moa dia naneho ny heviny ny TI-IM, ka nanambara fa mbola lavitra ny lalana ho any amin’izany fangaraharana sy fahitsiana izany, indrindra eo amin’ny sehatra politika, raha ny eto Madagasikara manokana.

Anisan’ny tena naneho izany ny fampiasan’ireo kandidà ny teny faobe “olona maromaro” rehefa milaza ny loharanon’ny teti-bolany, fa tsy milaza mazava ny anaran’ireo “mpanohana” azy ara-bola.

dina ara-pitsipi-pitondratena
Ireo kandidà 36 nirotsaka hofidiana tamin’ity fifidianana 2018 ity.
cc: Facebook

Ny fahavitsian’ireo mpamaly ny antso koa dia maneho fa vitsy ireo kandidà no vonona ny handala ny rariny sy ny hitsiny.

Maniry indrindra anefa ny fikambanana TI-IM ny “mba hamehezan’ny andrimpanjakana mahefa amin’ny fomba matotra kokoa ity resaka fangaraharana sy fahitsiana ara-bola ity amin’ny karazam-pifidianana rehetra. Ny antony dia ny mba hampienana ny firongatry ny kolikoly ary hiantohana ny fametrahan’ny mpitondra amin’ny ambaratonga rehetra ny mangarahara sy ny temberinandraikitra izay hampanantenainy sy dradradradrainy matetika amin’ny olompirenena izay efa mijaly manoloana ny fahantrana sy ny tsy fahampian’ny fahalalana”.

Anjaran’ny mpifidy no manasazy na tsia azy ireo amin’ny alalan’ny vato ho arotsany.

Tiasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.