Hifanesy handalo eny amin’ny tempoly anaty Rova ireo Fiangonana samihafa eto Madagasikara.
Fankalazana ny faha 150 taonan’ny Tempoly anaty Rova
Nosokafana tamin’ny alalan’ny fanompoam-pivavahana ny asabotsy 20 jolay teo ny fankalazana ny faha 150 taonan’ny Tempoly anaty Rova.
Tao amin’ity Tempoly ity no nanambaran’ny Mpanjaka tamin’izany vanim-potoana izany, Ranavalona II, fa i Jesosy Kristy no Mpanjakan’i Madagasikara. Nikatona kosa io Fiangonana io taorian’izay. Nisy fotoana nandalovana tamin’ny fahasahiranana.
Nosakanan’ireo mpitondra nifandimby ny fanaovana fotoam-pivavahana tao amin’ity Tempoly anaty Rova Manjakamiadana ity.
« Amin’izao anefa dia nomen’ny Fanjakana Malagasy alalana hosokafana hanaovana fotoam-pivavahana ity Tempoly anaty Rova ity », hoy i Aimons Rakotomamonjy, mpikambana ao amin’ny Komity mpikarakara ny fanamarihana ny faha 150 taona ny Tempoly anaty Rova.

Hampiakarina ao an-dapa avokoa ireo Fiangonana
Najoro vonjimaika ny Komity fankalazana ny faha 150 taona nisian’ny Tempoly anaty Rova, izay hiarahan’ny fianakaviana isan-karazany, ny fianakavian’ny Mpanjaka Ranavalona II.
« Mbola handalo hifanesy ao amin’ity Tempoly ity ireo Fiangonana zokiny, ny fiombonan’ny Fiangonana zandriny, ny taranaka andriana miray. Mbola ho avy ao ihany koa ireo olom-boafidy », hoy hatrany i Aimons Rakotomamonjy.
Toria Dimbiniaina