Rehefa nahavita ny fianarany teny amin’ny ambaratonga ambony i Tatamo dia tsy mba nitady asa toy ireo mpiara-mianatra taminy. Lalan-kafa mihitsy no nizorany. Nisafidy ny handraharaha izy.

Araho ity rohy ity raha te hahafantatra ny orinasan’i Tatamo ianao: http://booknewsmada.com/roofi-startup-de-lannee-2017/

Ny nampatonga an’i Tatamo handraharaha

Tatamo

Ireo vokatra vita avy amin’ny rofia mety ho hitanao amin’ny Roofi.
cc: Book News Madagascar

Telo volana izao no niorina ny orinasa Roofi, orinasa kely iray izay manamboatra haingon-trano amin’ny alalan’ny rofia. Nosafidian’ny ministeran’ny Indostria sy ny sehatra tsy miankina ho “Startup de l’année 2017” ny Roofi. I Tatamo Randriamanantena, fantatra amin’ny anarana hoe Tatamo, no nanangana izany. Vao vita ny fianarany teny amin’ny ambaratonga ambony, dia efa nirotsaka tamin’ny sehatry ny fandraharahana i Tatamo. Sehatra izay tsy mbola fantany firy tamin’izany, na dia nifandraika tamin’izany ary ny fianarana natanatany, satria ny lalam-piofanana Toe-karena no nosafidiany.

“Raha nanana eritreritra hiasa amina orinasa na ho lasa mpiasam-panjakana ireo mpiara-mianatra tamiko, tsy mba nandalo tamin’izany mihitsy kosa ny saiko. Te handraharaha aho. Nisy araka izany ny fampiofanana nomen’ny Youth First tamin’ny fotoan’andro, ny YWLP, izay mampianatra ny resaka fandraharahana, fa indrindra koa ny fitarihana olona na Leadership. Nanomboka teo dia niova tanteraka ny fiainako satria fantatro amin’izay ny tena tiako hatao”, hoy i Tatamo.

Tatamo, vehivavy tanora mpandraharaha

Tatamo

Tatamo Randriamanantena, une jeune femme entrepreneure accomplie!
cc: Book News Madagascar

Mbola tanora tokoa i Tatamo dia efa ao anatin’izany sehatry ny fandraharahana izany sahady. Araka ny fanazavany, tsy dia tsara ny fandraisan’ny olona izany hoe “vehivavy tanora mpandraharaha” izany,. Indrindra eto Madagasikara. Matetika tokoa manko dia tsy dia asian’ny olona hajany ny tanora mpandraharaha, ary vao miha izany miha mafy rehefa vehivavy ilay mpandraharaha. Araka ny nazavain’i Tatamo, raisin’ny olona ratsy foana izany , indrindra rehefa mbola tsy dia hitan’ny olona ny kalitaon’ny asa ataon’ilay mpandraharaha.

“Rehefa mahita ny asanao kosa anefa izy dia miaiky ihany”, hoy i Tatamo, nitsiky kely.

Nanangana tetikasa i Tatamo hanatanterahana ny nofinofiny, dia ny ho lasa mpandraharaha. Tetikasa iray no natsangany talohan’ny Roofi. Efa herintaona kosa izy izao no milona ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana.

Tiasy

 


1 Comment

Roofi élue "Startup de l'année 2017" par le ministère de l'Industrie · February 13, 2018 at 8:03 pm

[…] Pour en savoir plus sur Tatamo, cliquez sur le lien ci-dessous: http://booknewsmada.com/tatamo-orinasa-roofi-vehivavy-tanora-mandraharaha/ […]

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: