Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Samy manana ny taom-baovaony io !

Book News 0

Last updated on février 2, 2019

Kalandrie gregorianina no ampiasaina sy itambarana manerana izao tontolo izao aloha hatreto. Ny firenena samihafa anefa dia samy manana ny fomba fanisany andro araka ny finoany sy ny kolontsainy avy. Vokatr’izany, samy manana ny fotoana hankalazany manokana ny taom-baovao ny firenena sy antokon’olona maro eto ambonin’ny tany : ny Sinoa, ny Japoney, ny Tailandey, ny Karana, ny Arabo sy ny maro hafa. Ary ny taom-baovao Malagasy mba ahoana?

Ireo karazana taom-baovao eto Madagasikara

Eny, tena nankalaza taom-baovao manokana tokoa isika Malagasy hatramin’ny fahagola ka hatramin’ny faha-mpanjaka. Nofoanan’ny mpanjanaka anefa izany rehefa babony ny tanintsika, ary ny loza dia nataony izay anadinoantsika azy. Tao anatin’ny folo taona angamba izay vao miezaka miverina tsikelikely mampahatsiaro ireo fomba fahiny nankalazana ny taom-baovao Malagasy ireo sokajin’olona nandala izany hatramin’izay ka hatramin’izao. Ny olana dia mizarazara ho foko maro ny Malagasy ary dia mbola samy hafa koa ny fotoana hankalazany ny fiandohan’ny taona. Ao ny foko merina avy eny Ambohitrabiby izay manatanteraka ny atao hoe Alahamadibe. Mifanandrify amin’ny tsinam-bolana amin’ny fiandohan’ny fararano izy io, izany hoe matetika eo amin’ny volana Marsa na Avrily eo. Ao indray ireo Zanadranavalona, izay manana ny azy manokana hatramin’izay, mitontona miaraka amin’ny Hidiben’ny Silamo. Ary ao ireo foko maro isan-karazany izay samy manana ny lanonany araka ny fotoana voatendry avy : Fitampoha, Tsangantsaina, Sambatra, Volambetohaka…

[youtube]https://www.youtube.com/watch?v=KZhJ0JGw0Ug[/youtube]

Nisy anefa ireo Olobe sy Tangalamena avy amin’ny lafivalon’ny nosy, nasesikin’ny fahendrena sy ny fihavanana, ka nifanaraka ny amin’ny hisian’ny taom-baovao Malagasy iombonan’ny rehetra tamin’ny taona 2017. Marimaritra iraisana no natao ka andro roa ao anatin’ny tsinam-bolana amin’ny volana Septambra no tapaky ny besinimaro. Amin’izany manko no lohataona eto amintsika ka rariny raha eo koa no ankalazaina ny fiandohan’ny taona. Marimaritra iraisana hoy aho satria tsy manakana ny foko sy antokon’olona tsirairay hanohy izay fankalazany hatrizay io, fa saingy io kosa no itambarana sy tena antsoina hoe Taom-baovao Malagasy.

Aiza ny firaisankina ?

Hatreo dia toa nahavelom-bolo ny fiaraha-mientana. Ny saonjo iray lohasaha anefa, hono, tsy ilaozan’izay mamarara. Nisy ireo Lehilahy Lehibe tsy mena-mivadika tamin’ny teny nomeny ka miziriziry sy tsy azo ahitsy fa ny azy ihany hono no tena taom-baovao Malagasy, nefa dia nisy teny ierana nifanaovana izao. Raha resy lahatra tamin’io daty iray ankalazan’ny nosy manontonlo ny Taom-baovao Malagasy iombonana io anefa ny maroanisa, dia azo antoka fa noraketin’ny fanjakana tamin’ny fomba ofisialy io, ary noraisina ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama.

Dia ho aiza re izany ity Tanindrazana malala iraisantsika ity e ? Toa hoe soatoavina Malagasy hono izany firaisankina sy fihavanana izany ! Toa hoe ao anatin’ny maha-Malagasy hono izany fifanakalozan-kevitra sy fitadiavana marimaritra iraisana izany ! Toa hoe fady hono izany mivadika amin’ny teny nomena izany teo amin’ny Ntaolo, toy ny mandrava fasam-bazimba ka izay mivadika aloha kely ila ! Indrisy anefa fa any amin’ny sehatra tokony anehoana izany indrindra no mitranga ny sampona. Inona ary no lesona hotsoahin’ny zandry, zanaka, taranaka amam-para amin’izany fihetsika fisaraham-bazana izany ? Ahoana no hitsaràn’izy ireo, ireo vato namelan-kafatra sy mpandala ny maha-Malagasy manoloana izao tsy fahaizana miray hina izao ? Dia aoka hotsarain’ny tantara eto izany isika !

Ny Sinoa, izay mponina anisan’ny maro indrindra eran-tany sy misandrahaka eran’izao tontolo izao, tsy manadino ny fombany fa mankalaza ny taom-baovaony na aiza misy azy na aiza, toy izany koa ny Karana. Ny Arabo sy ireo mpino silamo moa miara-mirohotra mifety rehefa tonga ny fotoana voatondro. Fa isika Malagasy izany dia samy manana ny taom-baovaony eny ihany !

Voniary

Raha te-hahafantatra misimisy kokoa momba ny Taom-baovao Malagasy ianao, tsidiho ny Blaogin’i Voniary:

Oviana marina ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy 2018?

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.