Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Tanàna miisa 100 hovatsiana herinaratra avy amin’ny masoandro any Belobaka

Book News 0

Last updated on novembre 9, 2017

Notokanana ny zoma 27 oktobra, tao Belobaka, ny santatra amin’ny tetikasa fananganana toby famokarana herinaratra. Ny Masoivoho amerikanina amin’ny alala’ny Ustda sy ny orinasa Fluidic ary Henri Fraise no miara-miombona antoka amin’izany.

Version française disponible sur http://www.booknewsmada.com/2017/10/29/1oo-villages-electricite-solaire-belobaka/

English version avalaible on http://www.booknewsmada.com/2017/10/29/100-villages-solar-electricity-belobaka/

Belobaka: tanàna miisa 100 hotsinjaraina herinaratra

Notokanana ny zoma 27 oktobra 2017 tao Belobaka, faritra Bongolava, ny santatra amin’ny tetikasa fananganana toby madinika famokarana herinaratra. Tanàna miisa 100 no hovatsiana herinaratra amin’ny alalan’izany tetikasa izany, ka herinaratra avy amin’ny masoandro manana fahatanjahana hatramin’ny 10 Mégawatts sy vatoaratra afaka mitahiry herinaratra 88 Mégawatts isan’ora no hapetraka amin’izany. Tokantrano sy orinasa 27 000 no vinavinaina hahazo herinaratra amin’izany.Notokanan’ny Masoivoho Amerikana Robert T. Yamate niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ary ny solontenan’ny orinasa Henri Fraise ny toby famokarana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro tany an-toerana. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny orinasa Fluidic sy Henri Fraise.

‘Ity tetikasa santatra ity dia hoentina manohana ny fanadihadiana teknika sy ara-barotra momba ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra’, hoy ny fanambarana ho an’ny mpanao gazety.

Raha ny fikasana ao anatin’ny fandaharanasa Power Africa dia tokony ho avy amina loharanon’angovo vaovao sy madio ny 18 000 Mégawatts ka hatramin’ny 21 000 Mégawatts amin’ny herinaratra hovokarina..

63 tapitrisa dolara

Ny sampan-draharaha amerikana misahana ny varotra sy ny fampandrosoana (Ustda) no mamatsy vola ity tetikasa ity izay mitentina 63 tapitrisa dolara.

Nanambara ny Masoivoho Amerikana Robert T. Yamate fa ‘ity hetsika androany ity dia mampiseho ny fiaraha-miasa matanjaka ara-barotra eo amin’ny Etazonia sy Madagasikara. Amin’ny alalan’ny Ustda, ny Masoivoho Amerikana dia tena mirehareha amin’ny fahafahany nandray anjara tamin’ny fanadihadiana teknika sy ara-barotra momba ny famokarana herinaratra amin’ny herin’ny masoandro sy ny fitehirizana izany anaty vatoaratra ho an’ny tanàna miisa 100 manerana an’i Madagasikara. Ity tetikasa ity dia ohatra tsara maneho ny fomba hanohanan’ny governemanta Amerikana an’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fanavaozana sy fanolorana vahaolana ara-teknolojika’.

Efa-taona lasa izay no nanangana ny fandaharanasa Power Africa ny governemanta amerikanina. Tanjon’izany fandaharanasa izany ny famokarana herinaratra mahatratra 30 000 Mégawatts fanampiny sy hizara izany amina tokantrano 60 tapitrisa manerana an’i Afrika hatramin’ny taona 2030.

Tiasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.