Hifarana ny 31 janoary ho avy izao ny fotoana ahafahana manamarina ny anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Manoloana izany, manentana ny rehetra hanamarina ny anarany eny anivon’ny Fokontany misy azy tsirairay avy na amin’ny tranonkalan’ny CENI ny olom-pirenena tsirairay avy. Entanina manokana amin’izany ireo tanora malagasy efa ampy taona. Misy araka izany ireo tanora vitsivitsy nametrahana fanontaniana mahakasika ny faharisihan’izy ireo hifidy amin’ity fifidianana 2018 ity.
Tous les articles marqués “tanora”
Tanora am-polony maro no nirotsaka an-tsehatra hiaro ny valan-javaboaary “Ramsar” ao amin’ny faritra Alaotra. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo tanora ireo, ny alatsinainy 18 desambra sy ny talata 19 desambra lasa teo, tany Ambatondrazaka.
Firifiry moa ny tanora Malagasy no maniry ny hitondra fiovana eto Madagasikara? Ny ankamaroany dia toa variana manakiana fotsiny, toa miandrandra fanovana nefa tsy miezaka ny handray ny anjara tandrify azy. Ao kosa nefa ireo tanora efa tonga saina ka miasa avy hatrany , mitady ny fomba rehetra hanavotana an’i Madagasikara.