hetsika hiratra

« Hetsika Hiratra » – Hamafisina ny fahaiza-manao sy ny traikefa eo amin’ny sehatry ny asa

Ny “Hetsika Hiratra” dia natao hisaintsainana sy hifampizarana ny fahaiza-manao sy traikefa eo amin’ny sehatry ny fanabezana, ny fifandraisana, ary ny asa. “Hetsika Hiratra”: “Omaniko ny hoaviko, fantatro izay halehako”. Izay no teny filamatra entina anatanterahana ny “Hetsika Hiratra”. Ho tanterahina ny Alarobia 10 Jolay 2019 eny amin’ny Le Pavé Read more…

afampo

Fikambanana Afampo – « Hanova ny Fiarahamonina amin’ny alalan’ny fanabeazana »

« Ankoatra ny tontolo iainana dia simba ihany koa ny tontolom-piarahamonina eto Madagasikara » , hoy ny filohan’ny fikambanana AFAMPO, Tavandrena Paulin. Fiovana amin’ny alalan’ny fanabeazana Simba ny tontolom-piarahamonina malagasy ankehitriny. Noho izany , hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanarenana ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny fanabeazana ny Afampo na ny Antoky Read more…

LMA

Novatsiana seza sy latabatra vaovao ny LMA

Tamin’ny 2015, anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny fitsingerenan’ny faha-dimampolo taonan’ny LMA ny fanamboarana efitrano fianarana sy fampiofanana amin’ny taranja informatika. Tsy ampy anefa ny fitaovana nentina ianarana tao amin’ireo efitrano ireo. Manoloana izany, nanolotra seza sy latabatra vaovao ho an’ny LMA ny orinasa Star.

Version française disponible sur http://www.booknewsmada.com/lma-nouvelles-chaises-table-bancs/ (more…)

Manoloana ny fanapahan-kevitry ny Didec, miakatra ny feo anatin’ireo tambazotran-tserasera

Miakatra ny feo anatin’ireo tambazotran-tserasera manoloana ny fanambaran’ny Didec fa averina mianatra ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly katolika manomboka ny Alarobia 25 oktobra ho avy izao, na dia eo aza ny pesta. Adihevitra be Samy maneho ny heviny manoloana ny fanambarana nataon’ny Didec, fivondronan’ireo sekoly katolika rehetra manerana ny Nosy, Read more…