Manoloana ny fanapahan-kevitry ny Didec, miakatra ny feo anatin’ireo tambazotran-tserasera

Miakatra ny feo anatin’ireo tambazotran-tserasera manoloana ny fanambaran’ny Didec fa averina mianatra ireo mpianatra eny anivon’ny sekoly katolika manomboka ny Alarobia 25 oktobra ho avy izao, na dia eo aza ny pesta. Adihevitra be Samy maneho ny heviny manoloana ny fanambarana nataon’ny Didec, fivondronan’ireo sekoly katolika rehetra manerana ny Nosy, Read more…

Usaid

Manohana ny paikady hiadiana amin’ny fiparitahan’ny pesta ny Usaid 

“Mianaka manerana ny faritra maro ny valan’aretina pesta eto Madagasikara. Hatreto, mbola tsy voafehin’ny fanjakana ny fiadiana amin’ity aretina ity. Eo anatrehan’izany, nanolon-tanana ny masoivoho Amerikanina amin’ny alalan’ny Usaid.” Pesta: mitondra ny anjara birikiny ny Usaid  Hatramin’izao, mbola tsy voafehy ny fipariahan’ny valan’aretina pesta. Mitombo hatrany ny olona voan’ity areti-mandoza Read more…

Olona telo indray no matin’ny pesta

Olona telo indray no fantatra fa matin’ny pesta, amin’izao ora izao. Ireo fahafatesan’olona telo ireo dia mifanampy amin’ireo 42 farany. Araka ny antontan’isa nomen’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nanomboka ny 1 Aogositra 2017, tranga 387 no hita. Tranga 277 no voalaza fa “pulmonaires” ary 106 “buboniques”.

Fiparitahan’ny pesta

Tranga vaovao 14 no hita ary olona 3 no maty ny Sabotsy 7 oktobra 2017 teo teto Antananarivo, araka ny antontan’isa navoakan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nanomboka ny 01 aogositra 2017 no nankaty, 343 ireo tranga voamarina ary 42 no isan’ny maty teto Madagasikara.