Vitsy ny tanora sy ankizy mbola tia mamaky boky eto Madagasikara. Antony: miroborobo isan’andro ireo karazan-javatra avo lenta maro samihafa izay mahavariana ny tanora, ka tsy mahaliana azy firy intsony ny famakiana boky. Azo atao tsara nefa ny mampiaraka azy roa, toy ny ataon’i Andy.