Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Tafika Malagasy – Handray anjara feno amin’ny famerenana ny fandriampahalemana

Book News 0

Last updated on janvier 20, 2020

« Manana adidy lehibe amin’ny famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ary miara-misalahy amin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena amin’ny fifehezana izany fandriampahalemana izany », io no nambaran’ny Praiminisitra nandritra ny fitsidihany ny Etamajoro jeneralin’ny Tafika Malagasy teny Andohalo ny Talata teo.

Famerenana ny fandriampahalemana

Nitsidika ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy teny Andohalo, hanara-maso ny fomba fiasan’ny rantsa-mangaika miandraikitra ny fandriampahalemana ao an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian, ny Talata maraina teo.

Nitsidika ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy ny Praiminisitra Ntsay Christian ny Talata lasa teo. cc: Photo fournie

« manana adidy lehibe amin’ny famerenana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ny ministeran’ny Fiarovam-pirenena, ary miara-misalahy amin’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena amin’ny fifehezana izany fandriampahalemana izany, indrindra mba hahatongavana amina rafitra iankinan’ny fampandriana fahalemana, izay mifanaraka amin’ny takian’ny toetr’andro ankehitriny ».

Nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian

« misy faritra efa azo lazaina ho milamindamina eto amin’ny nosy, toy ny any Avaratra sy iny Atsimo-Andrefana iny, saingy mbola betsaka ny ezaka hatao hamerenana ny filaminana, toy ny ho an’ny Faritra Andrefana, Matsiatra Ambony, ary Atsimo Atsinanana ». 

Nomarihin’ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta

Noraisin’ny fitondram-panjakana ho laharam-pahamehana ny famerenana ny fandriampahalemana ary efa hatramin’ny herintaona no natomboka ny hetsika mifandraika amin’izany. Hatrizay hoy izy dia ny Zandarimariam-pirenena sy ny Polisim-pirenena no mpisehatra mivantana amin’ny fametrahana izany fandriampahalemana izany, saingy manoloana ireo fanamby napetraka izay tsy maintsy hitondrana vahaolana. 

Niova ny fomba fijery ny Tafika Malagasy ka ankehitriny dia lasa mandray anjara feno amin’izany izy, indrindra eny amin’ny faritra ambanivohitra. Fantatra fa efa nisy ezaka natao toa ny fampitaovana ny Tafika, mba hahafahana mandrakotra manontolo an’i Madagasikara, eo amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.