Mivoatra manaraka ny vaninandro sy ny filan’ny mpanjifa ny tolotra omen’ny Sipem.
Mihamaro ireo tolotra eo anivon’ny Sipem

cc: Book News Madagascar
Raha niompana tamin’ny fampindraman-bola sy ny fitahirizam-bola ny banky Sipem (Société d’Investissement pour la Promotion des Entreprises à Madagascar) teo aloha dia nivoatra izany manomboka ny taona 2018. Efa misy ireo tolotra toy ny « e-banking », ny fandraisana vola avy any ivelany, ny fanakalozana vola vahiny, ny fikirakirana vola amin’ny alalan’ny finday na ny « mobile-banking« , ny « opération de virement« , ny fampiasana ny « carte bancaire ».[amazon_link asins=’B01M2YMTCU,B008QUT9VC,B07BNTSJHD,B06XS15Y7Z’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’1e21851f-c2f1-11e8-8312-abbd6e71c977′]
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ara-toekarena amin’ny alalan’ireo tolotra mifanaraka amin’ny mpanjifa ny Sipem. Tanjona ny ho lasa « banque de référence » ho an’ny orinasa kely sy antonony (PME) ary ny orinasa goavana.
Marihina fa ny olon-tsotra sy ny mpandraharaha ao amin’ny tanan-dehibe no mpanjifa ny Banky Sipem.
Ankoatra izay dia mahatratra 50 ka hatramin’ny 60 ireo mpiasa raisiny isan-taona.
Mampiavaka ny Sipem ny fanomezany zana-bola 1% hoan’ireo mpametra-bola ao aminy. Ity banky ity irery ihany no banky tantanin’ny teratany Malagasy. Malagasy na mpandraharaha eto Madagasikara no mampiasa vola ao aminy.