Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fampianarana ambony – Mpianatra 100 manaraka ny fiofanana amin’ny sekoly “doctorale” ao amin’ny UCM

Book News 0


Misokatra ho an’ny rehetra manana diplaoma “Master” nivoaka avy amin’ny sekoly ara-dalàna eken’ny Fanjakana ny École Doctorale UCM, araka ny nambaran’ny Profesora Jeannot Ramaramanana.

Sekoly « doctorale »

Miisa 5 ny sampana Fikarohana misy ao amin’ny Sekoly « Doctorale »-n’ny Université Catholique de Madagascar (UCM Ambatoroka, dia ny « Droit et Sciences politiques, Population et Développement, Économie, Management, Sciences Ecclésiastiques ».

Mahatratra 100 ny fitambaran’ireo “doctorants” manaraka ny fiofanana ao amin’ny Ecole Doctorale eo anivon’ny UCM.

Efa 4 taona izay no nisian’ny amin’ity Sekoly ambaratonga ambony ity. Nilaza ny Profesora Jeannot Ramaramanana fa “misokatra ho an’ny rehetra manana diplaoma “Master” nivoaka avy amin’ny sekoly ara-dalàna eken’ny Fanjakana ny École Doctorale UCM”.

ucm ambatoroka
Profesora Jeannot Ramaramanana , avy amin’ny UCM Ambatoroka. cc: Toria Dimbiniaina

Tsiahivina fa ny 5 sy 6 ary ny 7 Jona lasa teo no nanatanteraka varavarana misokatra andiany voalohany izy ireo. Fotoan-dehibe izay nahafahan’ny École Doctorale UCM nihaona tamin’ireo “doctorants” sy ny mpiara-miombon’antoka siantifika rehetra eto an-toerana sy ny any ivelany toy ny Sekoly ambaratonga ambony maromaro ao Frantsa.

Tanjona ny ahafahana mampihatra sy mifampizara ny fikarohana eo amin’ny samy mpikaroka. Ao ihany koa ny ampahafantarana ny olona ny fisian’ny Sekoly Doctorale ary ny fiaraha-miasa azo tanterahana ahafahana mampiroborobo ny fikarohana eto Madagasikarasy ny any ivelany.

Nisy ny fampahafantarana ny Sekoly Doctorale UCM tamin’ny alalan’ny fanehoana an-tsary entina manazava amin’ny olona ny fomba fikarohana ataon’ny “doctorants” nandritra io varavarana misokatra io. Nisy ihany koa ny ady hevitra momba ny fikarohana araka ny sampana misy eo anivon’ny Sekoly Doctorale natao tamin’izany.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.