Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Saripika: enti-miady amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny kanto

Book News 0

Last updated on octobre 5, 2017

“Anisan’ny firenena mahasarika mpizahan-tany maro i Madagasikara nohon’ny hakanton’ny zava-boary ao aminy. Loza mitatao hoan’ity Nosy Malagasy ity anefa ny fanondranana antsokosoko ireo harem-pirenena. Ny fanasongadinana ny hakanton’i Madagasikara amin’ny alalan’ny saripika no paikady hiadina amin’izany.”

Kanto

Mahasarika mpizahan-tany maro ny hakanton’ny natiora eto Madagasikara. Maro amin’ireo zava-boary rahateo no tsy hita hafa tsy eto amin’ity Nosy Malagasy ity. Raha ny zava-misy anefa, maro amin’ireo zava-maniry no miha lany tamingana noho ny fanondranana antsokosoko. Ny fitadiavana tombon-tsoa hoan’ny tena samirery mazana no mahatonga izany. Tsy vitsy amin’ireo mponina, indrindra fa ireo mpitondra izay natao fitaratra hoan’ny madinika manko no manao izay hanimba ny endrik’ity Nosy ity. Tranga izay mitarika amin’ny faharatsian’ny isan’ny mpizahan-tany tonga eto Madagasikara, fa indrindra ny fitotonganan’ny harikarena Malagasy. Ho fanohanana ity sehatra iray ity ary, sy ho fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny fizahan-tany, misy ny hentsika enti-miady amin’ny fanondranana zava-boary antsokosoko. Fifaninanana sary mampivoitra ny hakanton’ny voaary eto Madagasikara. Sary izay atao sary karatra karakarain’ny Masoivoho Amerikanina sy ny USAID  eto Madagasikara, ary ny ministeran’ny fizahan-tany. Sary 10 isaky ny mpandray anjara no ilaina amin’ity fifaninana ity. Hisy ny mpitsara hifantina ireo sary 10 tsara indrindra, ka ny 03 amin’ireo no havadika sary karatra sy hozaraina manerana ny Nosy.

Hafatra

Fa sehatra iray efa azo lazaina fa mivelatra ny fangalana sary eto Madagasikara. Sary izay tsy natao fotsiny hanasongadinana ny taletan’ireo mpiangaly azy, fa indrindra natao hitondra hafatra. Hoan’ity fifaninana sary ity, izay mitondra ny lohateny “Ny hakanton’ny voaary eto Madagasikara”, natao indrindra hanairana ny saim-bahoaka  amin’ny fiantraikan’ny fanondranana zava-boary antsokosoko ny sary10 mendrika indrindra voafantina. Hitondra hafatra ireo sary karatra hovokarina sy hozaraina hoan’ny mpizahan-tany. Hilazalaza ny loza ateraky ny fanondranana antsokosoko ireo karazam-biby sy ny zava-maniry eo amin’ny tontolo iainana sy ny vakoko Malagasy izy ireo, fa indrindra hamporisika ireo mpizahan-tany mba tsy handray anjara amin’izany varotra tsy manara-dàlana izany sy handray anjara amin’ny vahaolana. Ny 16 oktobra izao no fara fandraisana ireo sary alefan’ireo mpandray anjara.  Sary tsara kalitao, tsy mihoatra ny « 2 Mégaoctets » no ilaina. Amin’ny alalan’ny mailaka info.madagascar@usaid.gov, no andefasana izany, miaraka amin’ny anarana feno sy ny laharan-tariby ny mpandray anjara ary ny filazalazana ny momba ny sary. Marihina fa sary nalaina teto Madagasikara no ilaina, tsy misy soratsoratra na daty na logo na marika famantarana hafa. Hahazo mari-pankasitrahana sy loka samy hafa avy amin’ny Masoivoho, ny USAID sy ny Ministera ny mpandresy amin’ny fifaninanana. Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fananana mpizahantany maro. Sehatra izay tosika lehibe amin’ny fanantsarana ny toe-karena Malagasy. Hantenaina fa hitondra vokatsoa hoan’ny firenena sy ny sehatry  ny fizahan-tany ny fanampariahana ny saripika mameho ny hakanton’i Gasikara.

Ony Ranaivoson

 

 

 

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.