Hotanterahina amin’ity volana oktobra ity ny fihaonambe nasionaly fahavalon’ny STK.

Fihaonambe nasionaly fahavalon’ny STK

Hanatanteraka fihaonambe nasionaly fahavalo ny birao STK Foibe sy ny komity faha 45 taonan’ny Sampana tanora kristianina (STK) ny faha 9 ka hatramin’ny faha 13 oktobra aony Fianarantsoa. Tanora miisa 5 000 no andrasana amin’izany.

Hetsika maro no hanamarihana izany. Hisy ny fanompoam-pivavahana­, fampianarana ho an’ny Tomponandraikitra rehetra sy ny mpanatrika rehetra, fifaninana ara-panatanjahantena­ sy ara-kolotoraly, fitsidihana toerana mampiavaka an’i Fianarantsoa, filaharambe mamakivaky ny Tanàna.

Araka ny fantatra dia hotanterahina manomboka ny faha 7 oktobra ny fifaninana baolina kitra zazalahy sy zazavavy.

Fotoana iray ihany koa ity iarahan’ny Komity faha 45 taona amin’ireo STK manerana ny sahan’ny FJKM ho fampahafantarana ny hetsika sy tsangabato ho tratrarina amin’izao fankalazana ny faha 45 taona STK izao.

Tsangam-bato maro no ezahina ho tratrarina toa ny kianja filalaovam-baolina samihafa, sehatra filanonana ary fefy tamboho manodidina ny tany mirefy 3 hektara eo ho eo ao Ankadiefajoro Andoharanofotsy.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: