Hotanterahina manomboka rahampitso eny amin’ny Carlton Anosy ny Salon de l’ISPM andiany faha 11.
Voka-pikarohana 120 no hampirantiana
Mahatratra 120 ny tranoheva hampiranty ireo voka-pikarohan’ny mpianatry ny sekoly ambony ISPM mandritra ny roa andro hanatanterahana ny hetsika « Salon de l’ISPM 2019 » eny amin’ny Carlton Anosy, izay hanomboka rahampitso. Miisa 120 araka izany ireo voka-pikarohana aseho.
Ireto farany izay voafantina tao anatin’ny voka-pikarohana miisa 350 tamin’ity taona ity. Mitsinjara ao anatin’ny sehatra maro ireo voka-pikarohana ireo toa ny « Informatique, Marketing, Finance, Droit, Tourisme, Economie, Génie Civile, Pharmacologie ».
Tanjona amin’izao hetsika izao ny hampahafantarana ireo zava-bitan’ny mpianatra. Eo ihany koa ny famporisihana ireo mpianatra mba ho tia karokaroka.

Torolalana ho an’ny mpianatra hanohy fianarana
Ankoatra ireo mpandraharaha izay liana amin’ny voka-pikarohan’ny mpianatra dia nasaina manokana koa ireo mpianatra sy ny ray aman-drenin’ny mpianatra hanatrika io hetsika lehibe io. Hetsika izay hanampy ireo tanora maniry ny hanohy ny fianararana amin’ny ambatonakanga ambony.
Hampafantarina ireo tanora ihany koa ny lalam-piofanana tonony arahina arakaraka ny sehatra tiana hatao.
Toria Dimbiniaina