Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Sakana ho an’ny fampandrosoana ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitra eto amin’ny firenena, hoy ny Masoivoho amerikanina

Book News 0

Sakana ho an’ny fampandrosoana ny tsy fisian’ny tamberin’andraikitra eto amin’ny firenena, hoy ny Masoivoho amerikanina, Robert Yamate, omaly, nandritra ny fanakatonana ny tetikasa « Tamberin’andraikitra eto Madagasikara: miainga amin’ny teoria mankany amin’ny fampiharana ».

Tamberin’andraikitra

Antoky ny fampivoarana ny fiarahamonina ny fisian’ny tamberin’andraikitra. Ahiana hanimba ny dingana vitan’i Madagasikara taorian’ny fiverenana tamin’ny lamina araka ny lalam-panorenana ny tsy fahampian’ny tamberin’andraikitra.

Noho izany dia nanampy ny firenena Malagasy ny Amerikana tamin’ny alalan’ny tetikasa « Tamberin’andraikitra eto Madagasikara: miainga amin’ny teoria mankany amin’ny fampiharana » nandritra ny herintaona. Tetikasa izay nifarana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny IKM Antsahavola omaly.

Tanjona tamin’ity tetikasa ity ny hisian’ny fifanakalozana eo amin’ny fikambanana ifotony sy ny fiarahamonim-pirenena, ireo olomboafidy ary ny manampahefana eny ifotony. Faritra 5 no niantefan’izany. Antenaina kosa ny hivelarany manerana ny Nosy. Misy ny toko telo iankinan’ny tamberin’andraikitra, araka ny nambaran’ny Masoivoho Amerikana Robert T. Yamate, toy ny fitantanana mangarahara sy ny fandraisana andraikitra.

Eo ihany koa fangatahana tatitra avy amin’ny manampahefana ataon’ny fiarahamonimpirenena. Ary ny fandraisan’ny vahoaka anjara amin’ny raharam-pirenena sy ny ady amin’ny kolikoly.

tamberin'andraikitra
Ireo mpandray anjara tamin’ny tetikasa « Tamberin’andraikitra eto Madagasikara: miainga amin’ny teoria mankany amin’ny fampiharana ».
cc: Masoivoho Amerikanina eto Madagasikara

Ilaina araka izany ny finiavana politika sy ny fandraisan’ny fiarahamonim-pirenena andraikitra ary ny fanentanana ny vahoaka. Midika izany fa zava-dehibe ny tamberin’andraikitra. Ity farany izay antoky ny fitoniana politika sy ny tany tan-dalana ary ny fanajana ny zon’olombelona.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.