Notanterahina ny Sabotsy teo teny Analakely ny fankalazana ny faha 15 taonan’ny Rotary Club Tsinjo.
Faha 15 taonan’ny Rotary Club Tsinjo
Nankalaza ny faha 15 taonany ny Sabotsy lasa teo ny Rotary Club Tsinjo, teny Analakely.

Ny taona 2004 no niorina tamin’ny fomba ofisialy ny Rotary Club Tsinjo. Maro ny zava-bita nandritra ny 15 taona ka anisan’izany ny asa natao tamin’ireo sehatra samihafa: asa sosialy, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ny fikajiana ny tontolo iainana, ny fandriam-pahalemana ary ny fampandrosoana maharitra, araka ny fanazavan’i Mahefa Christophe, Filohan’ny Rotary Club Tsinjo.
Niavaka ny fankalazana ny faha 15 taona ny Sabotsy teo satria dia nisy nisy fanasana sy fiarahamisakafo niarahana tamin’ireo Rotary Club manerana ny Nosy.
Ankoatra izay, efa mahatratra 100 mahery ireo mpikambana ao amin’ny Rotary club Tsinjo nandritra izay 15 taona niorenany izay.
Mitohy hatrany ny asa soa
Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Rotary Club Tsinjo amin’ity taona ity ny fiarahana sy ny fifanampiana eo amin’ny samy tanora. Tohizana ihany koa ny fanampiana ireo zaza sembana ara-tsaina mpanao asa tanana eny amin’ny Ivon-toerana ACBHM. Hisy hatrany ny fanomezzana « bourse » na vatsim-pianarana ny anikizy mianatra amin’io Ivon-toerana io.
Ankoatra izay dia hitady sehatra hivarotana ny asan-tanan’ireo ankizy taizana ao amin’ity Ivon-toerana ity ny Rotary Club Tsinjo mba ahafahaniizy ireo misitraka ny tombony azo.
Toria Dimbiniaina