a
Hamafisina ny asan’ny « bibliobus » mandritra ny fotoam-piasana 2019-2020″, hoy ny Filohan’ny Rotary Club Tsimbaroa Antananarivo vaovao, Lizah Ndrialisoa.
Bibliobus
Hatramin’ny taona 2005 no niasa ho an’ny ankizy eny amin’ny sekoly Ambatonakanga voalohany sy Ambatonakanga faharoa ny « bibliobus » Rotary Club Tsimbaroa. Mitety ny faritra Antananarivo sy ny manodidina ity « bibliobus » ity, izay tarihin’ny Ffara lehibe iray. Miankina amin’ny fangatahan’ny lehiben’ny Fokontany, ny kaominina ary ny tomponandraikitra ny sekoly ny fandalovany amin’ny toerana iray.
Zava-dehibe ny fisian’ity fotodrafitrasa ity satria mampiakatra ny fahalalan’ireo ankizy. Tanjona amin’izao hetsika izao ny famporisihina ireo mpianatra hamaky boky mba hampivoarana ny firenena.

Efa mahatratra 1 tapitrisa no isan’ny fiakarana tamin’ity « bibliobus » ity ary maharitra antsasa-kadiny ka hatramin’ny adiny iray eo ny ankizy eo amboniny. Mahazaka olona 40 ity fotodrafitrasa ity. Ahitana boky mifanaraka amin’ny fandaharam-pianarana eo anivon’ny sekoly, « connexion Internet » ary mpampianatra roa. Ireto farany izay manampy ny ankizy amin’ny fanatsarana ny fianarany, ny fanaovany ny zavatra rehetra hampiharina any an-tsekoly.
Ahitana kilalao
Ankoatra ny boky sy ny « connexion internet » dia ahitana kilalao toa ny fanorona sy ny « échecs » ihany koa ity bibliobus ity. Mandray ny sekoly rehetra manodidina ny “bibliobus”-n’ny Rotary Club Tsimbaroa.
Marihina fa ao Ilafy no misy ity fotodrafitrasa ity amin’izao ary hifindra eny Imeritsiatosika amin’ity volana ity.
Toria Dimbiniaina