Last updated on novembre 2, 2017
Niditra nianatra androany ireo sekoly katolika eto Antananarivo, araka ny fanambarana navoakan’ny Didec ny Alatsinainy lasa teo. Samy nandray ny fepetra hitany fa nety tamin’izy ireo sy tamin’ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra teny anivon’ireo sekoly ireo tompon’andraikitra. Araka izany, misy ireo sekoly katolika izay niditra androany, saingy mbola tapak’andro ihany aloha no mianatra hatramin’ny Zoma 27 oktobra izao, toy ny sekoly Saint-Antoine Ambodivona. Nisy kosa ireo nanapaka ny tsy hamerina ireo mpianany an-dakilasy raha tsy manomboka ny Alatsinainy 30 oktobra izao, araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo Ray aman-drenin’ny mpianatra, toy ny tao amin’ny ESCA Antanimena. Misy moa ny fametrahana « cellule de vigilance » eny anivon’ny sekoly tsirairay mba isorohana na koa ijerena akaiky ny loza raha sanatria misy izany.