Nifarana omaly ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara. Naharitra telo andro izany fitsidihana izany, ary nanamarika izany ny lamesa lehibe teny Soamandrakizay, omaly.
Ady amin’ny kolikoly
Nifarana omaly ny fitsidihana apostolika nataon’ny Papa Fransoa teto Madagasikara. Fitsidihana izay naharitra telo andro. Ankoatra ny fanompoam-pivavahana lehibe niarahana tamin’ny mpino an-tapitrisany teny Soamandrakizay omaly dia anisan’ny nanamarika ny dian’ny Papa Fransoa ihany koa ny fihaonany tamin’ny Filoha malagasy sy ny Masoivoho vahiny ary ireo Fiarahamonim-pirenena teny amin’ny Lapan’i Iavoloha.

Nanamafy ny Papa nandritra ity andro faharoa ny fitsidihana ity fa “mampitombo ny fahasamihafana ara-tsosialy sy ny fanilikiliana ny areti-maharitry ny kolikoly”. Nasiany resaka ihany koa ny fiarovana ny tontolo iainana. Nilaza izy fa “tandindonin-doza ny ala nohon’ny fandravana azy. Tsy misy asa mivaingana raha tsy ampidirina ao ny rariny sy ny hitsiny”.
Nanamafy ny veliranony ny Filoha Rajoelina

Etsy an-daniny, naneho ny fahavononany hanarina ny Firenena ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina. Nilaza ny Filoha nandritra ny kabary nataony teo anatrehan’ny Papa Fransoa sy ireo rehetra nanatrika ny fihaonana teny Iavoloha fa “anisan’ny iraka voalohany efa nekeko ny fanalana ny fahasahiranan’ny vahoaka”.
Ankoatra izay dia nisy ny fambolen’ny Pape sy ny Filoha “baobab” nandritra ny famaranana ny fotoana teny Iavoloha.
Toria Dimbiniaina
0 comments on “Papa Fransoa – Nanamafy ny ady amin’ny kolikoly” Add yours →