Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Orange, lany « Top Employer Madagascar » faninefany indray

Book News 2

« Nandritra ny taona efatra nifanesy, Orange dia nahazo ny mari-daharana “Top Employer Madagascar”, ary nandritra ny taona dimy nifanesy dia lany “Top Employer Africa”. Anisan’ny « Top Employers » telo voalohany eo amin’ny kontinanta izy noho izany.

Article en français disponible sur http://www.booknewsmada.com/2017/10/13/orange-top-employers-madagascar/

English version avalaible on http://www.booknewsmada.com/2017/10/13/orange-top-employer-madagascar-english/

Orange, « Top Employer Madagascar »

Ny orinasa Orange dia mbola lany « Top Employer Madagascar » amin’ity taona 2017 ity. Faninefany izao ity orinasa lehibe ity no lany « Top Employer Madagascar »  noho ny « best practices RH », na « fomba fitantanana mpiasa tsara indrindra » sy ny fahaizana mananatsara foana ny Orange eto Madagasikara. Ny fanolorana ny mari-pankasitrahana ho an’ny « Top Employer 2018” dia natao tamin’ny 12 Oktobra teo tao Johannesburg. Fotoana izay natrehan’ny talen’ny Orange Madagascar, Zo Andriatsilavo.

« Amin’ny alalan’ny politikan’ny  fitantanana mpiasa, Orange dia mamorona fepetra tsy manam-paharoa mba ahaizan’ireo mpiasa manao izay mahafa-po ny mpanjifa, amin’ny alalan’ny fametrahana toeram-piasana mahafa-po ny mpiasa, fanampiana ireo mpiasa ho lasa lavitra ahtrany eo amin’ny sehatry ny asa, ary fametrahana politikam-pivoarana, fiofanana sy fahaiza-mampiasa ireo fahaiza-manao ananan’ny tsirairay », hoy ny fanambarana.

« Ao ambadiky ny fahombiazan’i Orange Madagascar, misy vehivavy sy lehilahy izay manana talenta sy fahaiza-manao mifampiankina isan’andro. Ny politikan- ny fintantanana ny mpiasa dia manosika ny mpiasa rehetra hirona amin’ny fanodinana dizitaly,, izay miantoka ny fahaiza-manao ilaina ho an’ny ampitso « , hoy i Michel Degland, Tale jeneralin’ny Orange Madagascar.

Orange, « Top Employer Madagascar »:  mendrika azy ny mari-daharana

Ny mari-daharana « Top Employer Madagascar » dia mitaky fa mila omena lanja hatrany ireo mpiasa, na lahy na vavy, ao amin’ny Orange Madagascar, satria izy ireo no antoky ny fahombiazana sy herin’ny orinasa.  Amin’ny ankapobeny, ny fizotry ny fifantenana dia mametraka fanombanana manan-danja, ao anatin’izany ny fanadihadiana ireo antontan-taratasy omen’ny orinasa maniry ny hahazo ny mari-pankasitrahana. Anisan’izany ihany koa ny fanaraha-maso mahaleo tena momba ny fizotry ny asa sy ny angon-drakitra ary ny fizarana ny vokatra azo avy amin’ireo mpandray anjara mifototra amin’ny fenitra iraisam-pirenena.

« Ny fahazoana ity fanamarinana ity dia manamafy indray ny volavolan-dalàna sy ny fanirian’ny Orange Madagascar ho » mpampiasa dizitaly sy manome lanja ny maha-olombelona », hoy hatrany ny fanambarana.

Tiasy

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.