Last updated on août 13, 2019
I Rayan no voahosotra ho tompondakan’ny PES 2019, ka hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny lalao famaranana ny « Panafricaine de Orange Esport Expérience » any Egypta ny faha 17 jolay ka hatramin’ny 18 jolay 2019.
Hisolo tena an’i Madagasikara i Rayan
Tontosa ny Sabotsy teo teny Ivandry ny lalao famaranana ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara PES 2019 na ny lalao baolina kitra amin’ny alalan’ny « jeu vidéo », karakarain’ny orinasa Orange.

I Rayan no nibata ny amboara tamin’izany lalao izany, ka voahosotra ho tompondakan’ny PES 2019. Hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny lalao famaranana ny « Panafricaine de Orange Esport Expérience » any Egypta izy ny faha 17 jolay ka hatramin’ny 18 jolay 2019.
Nanomboka ny faran’ny volana May teo ny fifanintsanana teo amin’ireo mpandray anjara tany amin’ny Faritany Mahajanga, Toamasina, Fianarantsoa ary ny teto Antananarivo. Ireo solotena roa nivoaka mpandresy isaky ny Faritany no niatrika ny lalao famaranana ny Sabotsy teo.
Ankoatra izay dia nahazo tapakila hijery ny famaranana ny CAN 2019 any Egypta ihany koa izy. Anisan’ny loka azony ihany koa ny finday na ny « Smartphone » sy ny lelavola mitentina iray tapitrisa ariary.
Tsiahivina fa ny Malagasy no nahazo ny laharana faharoa tamin’ny « Panafricaine de Orange Esport Expérience » tamin’ny taona 2018.
Toria Dimbiniaina