Olona telo indray no fantatra fa matin’ny pesta, amin’izao ora izao. Ireo fahafatesan’olona telo ireo dia mifanampy amin’ireo 42 farany. Araka ny antontan’isa nomen’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nanomboka ny 1 Aogositra 2017, tranga 387 no hita. Tranga 277 no voalaza fa « pulmonaires » ary 106 « buboniques ».
