Manana tetikasa manokana antsoina hoe “La route du lait” na “Ny lalan’ny ronono” ny orinasa Socolait, izay tetikasa iarahana amin’ny mpiompy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Tetikasa « Ny lalan’ny ronono »

Manana tetikasa antsoina hoe “La route du lait” na “Ny lalan’ny ronono” ny orinasa mpamokatra ronono Socolait.  Tetikasa izay iarahana amin’ny mpiompy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Miisa 2000 ireo mpiompy miara-miasa akaiky amin’ny orinasa Socolait. Mampiasa mpitatitra ronono mananika ny 130 eo ihany koa ny orinasa. Ankehitriny dia manana toby fanangonan-drano 8 ny Socolait ao Antsirabe.

Ny fiaraha-miasa amin’ny mpiompy dia miainga avy amin’ny fampianarana azy ireo izay ataon’ny teknisian’ny orinasa manomboka eny amin’ny trano fiompy, ny sakafon’ny omby, ny fiterena ronono ary ny fanangonana ronono.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ronono

Nankalazaina ny 1 jona ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ronono. cc : Toria Dimbiniaina

Nisy ny fampahafantarana ny voka-tsoa entin’ny ronono sy ny sehatr’asa miasa manodidina ny ronono nataon’ny Socolait nandritra ny 1 Jona, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ronono teny Ankorondrano.

Ity orinasa ity izay tsiahivina fa indostria Malagasy mampiasa sy mamokatra ronono ary manome lanja ny ronono velona novokarin’ireo mpiompy avy ao amin’ny Faritra Vakinankaratra.

Mandalo fanaraha-maso avokoa ireo dingana rehetra handalovan’ny ronono manomboka eny amin’ny mpiompy ka hatreny amin’ny vokatra vita eny an-tsena. Ny Socolait ihany koa dia manome lanja ny kalitao ary manana ny fenitra iraisam-pirenena HACCP sy ISO 22 000 izay ahafahany manome toky ny mpanjifa ny vokatra vokariny.

Tsara ny manamarika fa manatontosa fihenam-bidy lehibe amin’ny ronono mandry mamy 390 grama sy 1 kilograma ny orinasa amin’izao fotoana izao mba ho fanomezana fahafampo ny mpanjifa.

Ankoatra izay dia ny ronono mandry mamin’ny Socolait irery ihany no vita avy amin’ny ronono velona avy eto an-toerana ankehitriny, ary izy no manana tahan’ny tavy vegetaly kely indrindra raha ny ao anatiny.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: