Last updated on décembre 1, 2017
Tamin’ny 2015, anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny fitsingerenan’ny faha-dimampolo taonan’ny LMA ny fanamboarana efitrano fianarana sy fampiofanana amin’ny taranja informatika. Tsy ampy anefa ny fitaovana nentina ianarana tao amin’ireo efitrano ireo. Manoloana izany, nanolotra seza sy latabatra vaovao ho an’ny LMA ny orinasa Star.
Version française disponible sur http://www.booknewsmada.com/lma-nouvelles-chaises-table-bancs/

cc: BookNews
Novatsiana seza sy latabatra ny LMA
Novatsiana seza sy latabatra vaovao ny Lycée moderne Ampefiloha na ny LMA, omaly. Natolotry ny Groupe Star ireo fitaovana ireo, ary mitentina 10 tapitrisa Ariary.
« Zava-dehibe ho anay ny mitondra ny anjara birikinay eo amin’ny sehatry ny fanabeazana ny tanora. Ny fanolorana ireo seza sy latabatra ireo dia ampahany kely ihany amin’ny asa miandry ireo mpampianatra sy mpanabe ao amin’ny sekoly mba hahatafitan’izy ireo ireto mpianatra, saingy tianay ny manao izao asa sosialy izao mba hanomezana ho avy mamiratra kokoa ho an’ireo tanora, ho avin’ity firenena ity », hoy i Anna Rabary, Sekretera jeneralin’ny orinasa Star, omaly, nandritra ny fanolorana ny fitaovana.
Tamin’ny 2015, anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fanamarihana ny fitsingerenan’ny faha-dimampolo taonan’ny LMA ny fanamboarana efitrano fianarana fiteny sy fianarana ny taranja informatika. Tsy ampy anefa ny fitaovana ka tsy afaka nianatra tao amin’ireo efitrano vaovao akory ireo mpianatra. Manoloana izany, nanapa-kevitra ny hanolotra ireo seza sy latabatra ireo ny Star. Isan-taona mantsy ny orinasa Star dia manokana vola ho an’ireo asa sosialy izay mahakasika ny sehatry ny fahasalamana, ny fiarahamonina, ny tontolo iainana sy ny fanabeazana.

cc: BookNews
Ny LMA no sekolim-panjakana lehibe indrindra eto Madagasikara amin’ireo sekoly ambaratonga faharoa. 3 197 no mpianatra misoratra anarana ao isan-taona, manomboka amin’ny kilasy faharoa ka hatramin’ny kilasy famaranana. 65 ny isan’ny kilasy ao ary 220 no mpiasa misahana ny fitantanana sy fampandehanana ity sekoly ity. Nanomboka ny taona 1965 dia efa mpianatra aman’arivony no navoakan’ny LMA.
Tiasy