Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Nifarana omaly ny « Festivanille-Satrahagna »

Tiasoa 0

Last updated on septembre 5, 2017

Nanomboka ny Alakamisy 27 jolay 2017 lasa teo ny andiany fahavalo tamin’ny « Festival de la vanille » na ny « Festivanille-Satrahagna » ary nifarana ny Alahady 30 Jolay.

Toy ny mahazatra, nisy ny fampitàna mivantana ny zava-mitranga rehetra mandritra ny hetsika ao amin’ny TV Kreol. Nisy ihany koa ny « Soirée de l’Océan Indien”  izay nandraisan’ny malagasy sy ny teratany vahiny maro anjara. Nandray anjara tamin’izany ohatra ny tarika Toofan, izay tarika afrikanina. Sambava, faritra hahitana vokatra lavanila betsaka indrindra moa no nosafidina ho ivon’ny fankalazana. Anisan’ny takian’ny tantsaha nandritra ny hetsika « Festivanille-Satrahagna » ny mba hanajana ny fotoana fisokafan’ny tsenan-davanila sy hanarahana ny fepetra rehetra manodidina izany. Ny 80% ny vokatra lavanila moa dia avy any amin’ny faritra Sava avokoa, izay toerana hanatanterahana ny « Festival de la vanille ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :