Last updated on septembre 5, 2017
Antoka iray mampandroso ny fokontany iray ny fandriam-pahalemana ao aminy. Izany indrindra no antony nametrahana ny « Poste de Police Avancée » teny amin’ny fokontany Manantenasoa Andralanitra.
Fametrahana « Poste de police avancé » eny Andralanitra
©Sicri
Notontosaina ny 25 Aogositra lasa teo ny fanokafana ny « Poste de Police Avancé » teny amin’ny fokontany Andralanitra. Nanotrona izany teny an-toerana ny Tale Jeneraly ny Polisim-pirenena, Eric Michel Idrissa sy ny teo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary ny Père Pédro izay mpanorina ny akany Akamasoa. Fifanomezan-tanana amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana azo antoka no tena anton’izao fanokafana Poste de Police izao, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny Polisim-pirenena. Eo ihany koa ny fiezahana hanakaiky kokoa ny vahoaka eny anivon’ny fokontany.
Fanamafisana ny fandriampahalemana eny Andralanitra
©Sicri
Mila sorohana ny asan-jiolahy sy ny vaky trano ary ny fandrobana isankarazany, izay tranga matetika miseho eny Andralanitra, hoy hatrany ny Tale Jeneralin’ny Polisim-pirenena. Fokontany anisan’ny be olona mivezivezy mantsy Andralanitra, ka izany no maha betsaka ny mpanao ratsy. Antenaina araka izany ny hisian’ny filaminana tanteraka eny an-toerana.