Navoitra nandritra ny valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety io maraina io ny arofenitra sy fepetra tsy maintsy arahina ho an’ireo sekoly efa miverina mianatra, araka ny navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Ireo sekoly tsy miankina efa niverina nianatra no iharan’ireo fepetra ireo. Ireto avy izany fepetra izany.
1- Ny sekoly rehetra dia manangana “comité de vigilance” izay natao hanara-maso ny mpianatra eo ampidirana ny faritry ny sekoly sy mandritra ny fotoam-pianaran
2- Manangana toerana voatokana ho an’ireo olona izay ahiahiana ny sekoly tsirairay. Toerana izay ahitana fitaovana tsotra ho fandraisana an-tanana ny marary (Rano, Gant, Masque, thermomètre,…).
3- Arahina ireo fepetra fitandrovana ny fahadiovana ao amin’ny faritry ny sekoly sy ny manodidina.
Alohan’ny hidirana ny faritry ny sekoly:
1- Ny “comite de vigilance” no manara-maso ny mpianatra rehetra miditra ny faritry ny sekoly.
2- Raha toa ka misy mpianatra, olona ahiahiana ho tsy salama dia hatokana ao amin’ilay toerana. Ary raha misy soritr’aretina pesta(hafanana be, kohoka sy rehoka misy rà, aretin’andoha, fahararian’ny tratra, fahasemporana, atody tarina) dia antsoina ny 910.
3- Ireo mpianatra sy ireo tompon’andraiki
Raha ao am-pianarana no ahitana tranga ahiahiana
1- Manatona avy hatrany ny « comité de vigilance » ny mpampianatra raha mahatsapa tsy fahasalamana.
2- Ny mpampianatra no manara-maso ny mpianany ary mampandre ny « Comité de Vigilance » raha toa ka misy tranga mampiahiahy.
3- Atokana ilay mpianatrana, na olona ahiahiana ao anatin’ilay toerana natsangana handraisana an-tanana ny marary
4- Miantso avy hatrany ny laharana maintso 910, miandry ny toromarika ary mangataka ekipa “d’intervention
5- Miantso Mpitsabo eny amin’ny CSB ny tompon’andraiki
6-Hampandrenesina
7- Mandritra izany dia tsy mahazo mivoaka ny faritry ny sekoly ny mpianatra sy ireo tompon’andraiki
8- Raha toa ka tsy misy pesta ny valin’ny fitiliana dia mahazo mody ny rehetra.
9- Raha toa kosa ka voamarina fa misy pesta ilay olona ahiahiana dia:
– Tsy mahazo mivoaka ny faritry ny sekoly fa miandry ny toro-marika sy fizarana fanafody avy amin’ny Mpitsabo.
– Manao lisitra ny anaran’ireo voakasika rehetra ny talen-tsekoly.
– Mampahafantatra
10- Ireo mpianatra sy tompon’andraiki
11-Ny sekoly izay misy lakilasy nahitana trangan’aretina
12- Hamafisina ny fanentanana sy ny fitandrovana ny fahadiovana.
13- Tohizana hatrany ny fanadiovana sy fanondrahana fanafody ny sekoly sy ny manodidina azy.
Marihina fa ny « CERTIFICAT MEDICAL » avy amin’ny” CENTRE DE FORMATION SANITAIRE PUBLIC “ ihany no manankery.
Cellule riposte/MEN