Last updated on juin 2, 2018
Mpilatsaka an-tsitrapo amerikana 44 no hiasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fahasalamana mandritra ny roa taona eto Madagasikara.
Mpilatsaka an-tsitrapo amerikana eo amin’ny tontolon’ny fambolena
Notontosaina androany teny Mantasoa, toeram-piofanan’ny mpilatsaka an-tsitrapo amerikana na “Corps de la Paix”, ny veliranon’ireo mpilatsaka an-tsitrapo 44 hiasa amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fahasalamana.[amazon_link asins=’B008QUT9VC,B079LV68KC,B076DY3JBP’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’bb3bf8c7-59f1-11e8-8962-3d2dc0ea2062′]
Ho an’ireo mpilatsaka an-tsitrapo eo amin’ny sehatry ny fambolena, ny ankamaroan’izy ireo dia hiara-hiasa amin’ireo vondron’ny tantsaha, ireo fikambanana miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana misahana ny fampandrosoana ambanivohitra, amin’ny sekoly ary amin’ny fikambanan’ny tantsaha malagasy maro samy hafa mba hanatsarana ny fari-piainan’izy ireo.
Hisy ihany koa ny asa atao eo amin’ny sehatry ny fanjariana ara-tsakafo.
“Hiara-hiasa amin’ireo mponina eny ambanivohitra izy ireo mba hifampizara amin’ny tantsaha ny teknika fanatsarana ny vokatra, fanatsarana ny tany, manatsara ny fanjarian-tsakafo amin’ny ankapobeny. Hampiofana ny tantsaha mikasika ny fitantanana ny seha-pihariana eny ambanivohitra ihany koa izy ireo”, hoy ny vaovao azo avy amin’ny Masoivoho amerikana.
Eo amin’ny sehatry ny fahasalamana

cc: Masoivoho amerikana
Hanome tantsoraka amin’ny ezaka izay efa mandeha maneran-tany sy eto Madagasikara kosa ireo mpilatsaka an-tsitrapo amin’ny sehatry ny fahasalamana. Hiara-hiasa amin’ireo “centres de santé de base” (CSBs) sy mpanentana ara-pahasalamana (COSAN) izy ireo, mba hampiofana ny isan-tokatrano mikasika ny ara-pahasalamana.
Hisy ihany koa ny fikarakarana atrik’asa momba ny fahasalamana sy ny fanampiana ireo mpiantsehatra ara-pahasalamana. Ny fampahafantarana ireo fihetsika tokony atao isorohana ireo aretina mety hahazo no tanjona amin’izany, indrindra ireo aretina mpahazo ny zaza toy ny tazo sy ny aretin-kibo. Hojerena akaiky ihany koa ny mahakasika ny momba ireo zaza tsy ampy sakafo sy tsy mahatratra halavana.
Mpilatsaka an-tsitrapo amerikana
Nanaraka fiofanana nandritra ny telo volana ireto mpilatsaka an-tsitrapo amerikana ireto. Tafiditra tamin’izany fiofanana izany ny fianarana ny teny malagasy sy ny fianarana ny teknika mifanaraka amin’ny sehatra misy azy ireo. Hiasa mandritra ny roa taona, hiparitaka amin’ny faritra maro eto amin’ny Nosy, izy ireo ankehitriny.
Araka ny fanambaran’i Vanessa Dickey , Talen’ny Corps de la Paix eto Madagasikara, “ny andraikitry ny mpilatsaka an-tsitrapo dia ny manentana ireo mpiara-monina mba hampisy akony ny fampandrosoana eo an-toerana.”
Nanamafy izy fa miara-miasa mivantana amin’ny mponina ny mpilatsaka an-tsitrapo ny tantsaha, ny reny sy zaza, ary ny rafitra ara-pahasalamana isan-karazany mba hahazoan’izy ireo ny filazana sy ny hetahetan’ny mponina hiarahan’izy ireo monina.
Mpilatsaka an-tsitrapo miisa 163 no efa eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, izay miasa eo amin’ny sehatry ny fampianarana, fambolena ary fahasalamana. Efa mihoatra ny 1310 ny isan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo efa niasa teto madagasikara nanomboka ny taona 1993.
Amin’izao fotoana iainantsika izao dia, 8655 no isan’ireo mpilatsaka an-tsitrapo miasa amina firenena miisa 76 maneran-tany.