Last updated on juin 2, 2018
Tsy ho ela, handray mpampiofana vaovao ny Tily eto Madagasikara.
Version française disponible sur https://booknews.today/promotion-formateur-tily-eto-madagasikara/
Fampiofanana mpampiofana ho an’ny Tily eto Madagasikara amin’ny endriny “modulaire”
Manaraka fiofanana nanomboka ny sabotsy teo ao Iavoambony Lazaina, faritra Analamanga Avaratra ireo mpampiofana mpikabana ao amin’ny Tily Eto Madagasikara na ny TEM. Fampiofanana izay naharitra roa andro ho an’ity andiany voalohany ity. Ny fiofanana dia atao isaky ny telo volana, ary hisy andiany efatra amin’izany.

cc: Book News Madagascar
Mpikambana 22 avy amin’ny faritra fito eto Madagasikara sy mpikambana avy amin’ny ekipa nationaly no miatrika izany. Voalohany no misy fampiofanana amin’ny endriny “modulaire” toy izao ho an’ireo mpiofana ho mpampiofana, izay tafiditra amin’ny fampiofanana ireo olon-dehibe ao amin’ny Tily Eto Madagasikara. Ny volana janoary ka hatramin’ny volana martsa 2018 dia nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpampiofana mpanampy.[amazon_link asins=’B076DY3JBP,B00LWZFUU2,B071NWHS87,B01DNXSW2S,B079LV68KC’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’62587898-5924-11e8-b778-857ca0e36675′]
“Asa sy Finoana” no lohahevitra ankapobeny amin’ity fampiofanana ity, izay misampana amin’ny taranja 5 : fandalinana ny skotisma, fanofanana, serasera sy fifandraisana ary fibeazan-tenan’ny tsirairay, fampivelarana ara-tsaina sy fandinihana Soratra masina ary fahaiza-mitantana. Misy ihany koa ny taranja roa izay mifandraika amin’ireo voatanisa ireo ihany.
Ny taranja tsirairay dia tsy maintsy ahazoana isa mba hahafahana manao tohan-kevitra amin’ny maha mpampiofana. Rehefa vita ny fanohanan-kevitra dia ho lasa mpanofana sikoto “4 badges” ny mpiofana tsirairay.
Mitovy lanja amin’ny fianarana eny amin’ny sekoly ambony izay hahazoana ny mari-pahaizana lisantsa ny fampiofanana raha ny fanazavan’i Serge Rajao Harilala “Koakio Matsilo”, mpiandraikitra ny fampiofanana.
Afaka mampiofana ny fikambanana misy azy ireo mpampiofana aorian’ny fahavitan’ny tohan-kevitra. Misy anefa ny fepetra 4 tsy maintsy arahina ahafahana manaraka ny fiofanana hatongavana mpampiofana : tokony efa mpampiofana lefitra ireo mpiofana, manana andraikitra eo anivon’ny fikambanana, efa nanome fampiofanana ary nisy olona nanolotra. Ny 28-29 volana Jolay izao no hifarana ity fampiofanana ity.