Naseho tamin’ny alalan’ny filatroana ny vokatry ny asa famoronana nataon’i Mialy Ratrema tamin’ity taona 2019 ity.

Akanjo mariazy

Nisy ny filatroana notanterahina ny faran’ny herinandro teo, anehoana ny akanjo mariazy vita amin’y lamba landy. cc : Toria Dimbiniaina

Zava-dehibe manan-danja ny mariazy. Ilaina araka izany ny fanehoana ny tsara indrindra mandritra io fotoan-dehibe io. Noho izany dia namorona ny akanjo mariazy vita amin’ny lamba landy i Mialy Ratrema izay miara miasa amin’i Gaona. Naseho tamin’ny alalan’ny filatrohana ireo vokatry ny aingam-panahy ho an’ny taona 2020 ny faran’ny herinandro teo teny amin’ny villa Harambato Andahoranofotsy. 

Araka ny fantatra dia tohin’ny fampisehoana ireo vokatra tamin’ny taona 2018 ity fampirantiana ity.
Nambaran’i Gerard Ratrema izay anisan’ny mpikarakara ny hetsika fa isaky ny misy vokatra tahaka izao di any eto an-tanindrazana aloha no hampisehoana izany voalohany mialoha ny any ivelany.

Fanohanana ny asa tanana Malagasy

Ankoatra ny fampahafantarana ny lamaody vitan’ny mpampianatra Malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia nilaza i Mialy Ratrema fa

“fanohanana ireo mpanao asa tanana Malagasy toy ny mpanenina ihany koa no anton’izao famoronana akanjo mariazy vita amin’ny lamba landy izao”.

Nanazava ny antony nahatonga azy nanaraka ny lamaody eraopeana koa i Mialy Ratrema. 

“Any Parisy ny tenako no mipetraka ary manana fianakaviana eto Madagasikara aho ka nampifandraisiko tamin’ny asa famoronako ny fisian’ireo firenena ireo”, hoy izy.

Marihina fa nanampy an’i Mialy Ratrema tamin’ireo fikarakarana ny fampisehoana ireo asa famoronana izao i Gaona.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: