Mpamonjy voina 1/1700 ihany no misy eto amintsika raha tokony ho 1/800.
Tsy ampy
« Mbola tsy ampy ny isan’ny mpamonjy voina eto Madagasikara amin’izao », araka ny nambaran’ny lieutenant Ralimbison, tomponandraikitry ny Seraseran’ny mpamonjy voina, nandritra ny lanonana fanamarihana ny faha fitopolo taona nisian’ny mpamonjy voina.
Mpamonjy voina 1/1700 ihany no misy eto amintsika raha tokony ho 1/800
Mpamonjy voina 1/1700 ihany no misy eto amintsika raha tokony ho 1/800. cc : Sary tahiry
Ankoatra izay dia efa antitra sady tsy ampy ny isan’ny fitaovana hampiasain’ny mpamonjy voina.
Isany olana sedrain’ny mpamonjy voina ihany koa ny tsy fahampian’ny serasera eo amin’izy ireo sy ny vahoaka ka mahatonga ny fifanalavirana sy ny fifanomezantsiny.
70 taona
« Mpamonjy voina sy ny vahoaka miara mientana, misoroka ny loza, manalefaka ny loza ». Io no lohahevitra mandritra ity fanamarihana ny faha fitopolo taona ity. Tanjona ny hampihenana sy hiatrehana ny loza.
Efa antitra sady tsy ampy ny isan’ny fitaovana hampiasain’ny mpamonjy voina. cc : Sary nindramina
Hetsika maro araka izany no ho tanterahina mba ahatratrarana ny tanjona mandritra ity fanamarihana ny faha fitopolo taona ity toa ny famelabelaran-kevitra arahina ady hevitra. Ity farany izay ho tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izay hanasana ny sehatra rehetra mifandray amin’ny asan’ny mpamonjy voina.
Hisy ihany koa ny fampirantihana hiarahana amin’ireto farany izay atao eny amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ihany.
Ankoatra izay dia hisy fampiofanana ny mpanao gazety mba ahafahan’izy ireo miara mientana amin’ny mpamonjy voina.
Toria Dimbiniaina