Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Mirotsaka an-tsehatra ireo tanora ao Alaotra hiaro ny valan-javaboaary ao an-toerana

Book News 0

Last updated on janvier 3, 2018

Tanora am-polony maro no nirotsaka an-tsehatra hiaro ny valan-javaboaary “Ramsar” ao amin’ny faritra Alaotra. Nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo tanora ireo, ny alatsinainy 18 desambra sy ny talata 19 desambra lasa teo, tany Ambatondrazaka.

Tanora ao Alaotra

Tanora am-polony maro no namaly ny antso nataon’ny Alaotra Rano Soa na ARS, vovonana natokana hiaro ny vala “Ramsar” ao amin’iny faritra Alaotra iny, ny alatsinainy 18 desambra sy ny talata 19 desambra lasa teo, hanatrika ny atrikasa tao Ambatondrazaka.

Antony nanaovana ny atrikasa ny fampivondronana ireo tanora maro ao Alaotra, sy ny fisintonana ny sain’izy ireo hahatsapa fa ilaina ny miaro ny valan-javaboaary “Ramsar”, toerana mando arovana noho ny zava-boaary misy ao aminy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nanentana nandritra izany atrikasa izany i Dama, mpanakanto sady mpahay fiarahamonina, sy ny pasitera Maholy Rakotonavalona.

Nandritra ny atrikasa, nisy ny resadresaka sy adihevitra, fandefasana horonantsary, fa indrindra ihany koa ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tanora avy ao amin’ny faritra Alaotra. Anisan’izany i Fifaliana Tandrafeno, tovovay iray izay manana tetikasa mahakasika ny zaitra, ary tafiditra ihany koa ao anatin’ny SGTA, vovonana mampivondrona ny mpitondra mpizahantany ao Ambatondrazaka.

Alaotra
Fifaliana Tandrafeno, anisan’ireo nijoro vavolombelona nadritra ny atrikasa tao Ambatondrazaka. cc: cc: Lalatiana Ranaivoarisoa (Durrell)

Naneho fahavononana feno ireo tanora hiara-hisalahy amin’ny ARS amin’ny fiarovana ny faritra “Ramsar” ao Alaotra, sy ny fampivoarana ny faritra, indrindra amin’ny alalan’ny fizahan-tany. Araka ny fanazavan’ireo mpikarakara, nosinganina amanokana ireo tanora satria izy ireo no manana ny angovo sy ny hery entina hanova iny faritra iny sy hitondra azy amin’ny tsaratsara kokoa.

Alaotra
Navitrika dia navitrika ireo tanora amam-polony amin’ny fiarovana ny valan-javaboaary Ramsar. cc: Lalatiana Ranaivoarisoa (Durrell)

Sehatra maro araka izany no hirotsahan’ireo tanora ireo, dia ny fiarovana ny vala Ramsar sy ny valan-javaboaary tsy ankanavaka, ny fampahafantarana ny faritra Alaotra amin’ireo vahiny tonga ao an-toerana, ny lafiny kolontsaina amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny mozika sihanaka, izay karazana mozika avy any an-toerana.

TIASY

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.