Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Marathon de Tana : atleta afrikanina sivy handray anjara

Book News 2

Last updated on octobre 5, 2017

Hotontosaina amin’ny volana Oktobra ho avy izao ny “Marathon international de Tana”. Amin’ity taona ity, sambany hisy atleta afrikanina handray anjara amin’ny hetsika.

Version française disponible sur http://www.booknewsmada.com/2017/09/26/marathon-de-tana-neuf-athletes-africains-au-rendez-vous/

English version avalaible on http://www.booknewsmada.com/2017/09/26/madagascar-nine-african-athletes-will-come-to-the-international-marathon/

« Marathon international de Tana »: hanana endrika afrikanina kokoa 

Omena lanja ireo avy ao amin’ny kontinanta afrikanina. Hotanterahina ny 14 sy 15 oktobra 2017 ho avy izao ny “Marathon international de Tana” eto Antananarivo. Hanana endrika afrikanina kokoa ny hetsika satria atleta sivy avy any Afrika no handray anjara amin’ity: telo avy ao Afrika Atsimo, telo avy ao Etiopia ary telo avy ao Kenya. Ny fiarahamiasan’ny mpikarakara – World Trade Center Antananarivo sy Vision Madagascar – sy ireo orinasa lehibem-pitaterana an’abakabaka Airlink, Ethiopian Airways sy Kenya Airways, no nahatanteraka izany. Misy amin’ireo atleta ireo moa no vehivavy,araka ny nambaran’ny mpikarakara. Handray anjara amin’ny hetsika ihany koa ny atleta maro avy amin’ireo nosy rahavavy ao amin’ny Ranomasimbe Indianina. Ho avy eto Madagasikara ireo atleta goavana nandray anjara tamin’ny hetsika “Marathon international” andiany faha-17 tao La Réunion. Hisy atleta efatra koa ho avy avy amin’ny Nosy Maurice sy Seychelles. Amin’ity taona ity, mpihazakazaka 2 000 no andrasana, raha toa ka 1 300 izany tamin’ny taona 2016. Azo anoratana anarana avokoa ireo toerana natokana ho an’izany: ny “Vision Madagascar” eny Ankorondrano, ny FMA eny amin’ny kianja Alarobia ary ny Ortana eny amin’ny zaridainan’Antaninarenina. Hisy fampirantiana ataon’ireo mpanohana ny hetsika koa eo amin’ny Lapan’ny Tanàna ny 14 sy 15 oktobra.

Marathon 2017

Ny toerana fiaingana sy fahatongavana amin’ny Marathon dia eo Analakely. Miova arakaraka ny taranja ny lalàn-kizorana amin’izany, saingy fantatra kosa fa handalo amin’ny “Rocade Andohatapenaka” ny Marathon amin’ity indray mitoraka ity, araka ny nambaran’i Mercedes Ratsirahonana, mpikarakara avy ao amin’ny World Trade Center Antananarivo. Hizara telo araka izany ny hetsika: ny Marathon izay hirefy 42,195 kilometatra, ny “Foulées Ecolo” sy ny “HandiRun” izay hirefy 10 kilometatra, ary ny Maratoons izay hirefy 105 kilometatra.  Ny taranja voalohany dia hanomboka amin’ny 7 ora maraina ary haharitra 5 ora sy 40 minitra, ny taranja faharoa dia hanomboka amin’ny 7:20 ary haharitra 1 ora sy 35 minitra, ary ny taranja farany dia hanomboka amin’ny sivy ora. Araka ny fantatra, hanolotra mpihazakazaka 200 ny banky BNI, mpanohana ny hetsika, amin’ny taranja “Foulées Ecolo”.

Tiasy

 

Mpanohana ny hetsika:

  • CRBC
  • Brasseries Star de Madagascar
  • Schneider Electric
  • SE-CNLS/ONUSIDA : Sponsor Gold
  • BNI : Sponsor Silver
  • BOA
  • BFV/SG
  • BGFI
  • SOREDIM – SODEAM – TAF – Socolait
  • Air Austral
  • Airlink
  • Ethiopian Airways
  • Kenya Airways
  • Fanalamanga
  • CUA
  • Ministère de la Jeunesse et des sports
  • Ministère de l’Environnement, de l’écologie et des forêts
  • Ministère du Tourisme
  • ORTANA
  • ONTM
  • PRICE WATERHOUSE COOPER
  • SHOPRITE
  • SGS
  • ISCAM

 

 

 

 

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :