Last updated on février 13, 2018
Hifarana ny 31 janoary ho avy izao ny fotoana ahafahana manamarina ny anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana. Manoloana izany, manentana ny rehetra hanamarina ny anarany eny anivon’ny Fokontany misy azy tsirairay avy na amin’ny tranonkalan’ny CENI ny olom-pirenena tsirairay avy. Entanina manokana amin’izany ireo tanora malagasy efa ampy taona. Misy araka izany ireo tanora vitsivitsy nametrahana fanontaniana mahakasika ny faharisihan’izy ireo hifidy amin’ity fifidianana 2018 ity.
Tanora vonona hifidy
Maro ireo tanora mijoro ho tompon’andraikitra ary milaza fa handray anjara amin’ny fifidianana amin’ity taona ity. Na izany aza, miombon-kevitra izy ireo fa tsy ampy ny fandraisan’ny tanora malagasy andraikitra. Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fampahafantarana izany azy ireo.
Erico Randriarimalala, 28 taona, tanora mpandray andraikitra eo anivon’ny fiarahamonina
“Maro ireo olona milaza fa tsy hifidy satria milaza izy ireo fa mandiso fanantenana azy ireo olona nofidiany. Ny olana anefa dia isika tsy mametraka fepetra amin’ireo kandidà mirotsaka. Inona ny fepetra apetrakitsika vahoaka raha manambara ireo tetikasany ny kandidà iray ?Anontaniana hoe ahoana ny havitanao an’io ? Fa mialoha izay dia ilaina aloha ny manamarina ny anaranao ao anaty lisim-pifidianana ! Isika milaza hoe misy hala-bato any, fa isika tsy mandray ny andraikitsika koa manoloana izany. Misy ary olona very zo maniry hifidy. Ianao tsy very zo tsinontsinona nefa tsy mety mifidy, nefa rehefa misy ny olana ianao no anisan’ireo voalohany mimenomenona.”
Sariaka Razanajatovo, 23 taona, mpandrindra ny fikambanana Liberty32 ao amin’ny faritra Atsinanana
“Hifidy aho. Hatramin’ny nahazoako izany zo izany dia nandray anjara tamin’izay fifidianana rehetra nandalo foana aho, na fifidianana Sefom-pokotany izany na fifidianana Filoham-pirenena. Ny antony ? Tsapako hoe adidiko izany ary fantatro fa misy lanjany foana ny vato arotsako na dia vato fotsy aza. Anton’izany ihany koa ny nanazaran’ny ray aman-dreniko ahy hifidy. Tsara ny manamarika fa manana andraikitra amin’ny fampandraisana anjara ny zanany amin’ny fiainana politikan’ny firenena ny ray aman-dreny. Hita mantsy fa tsy liana amin’ny politika mihitsy ny tanora, saingy raha ny fijeriko manokana dia efa miha-miova tsikelikely izany, saingy miadana be ilay fiovana.”
Samaro Wang Kine Ystalien, 22 taona, mpikambana ao amin’ny « Réseaux Climat de l’Océan Indien »
“Hifidy aho satria anjarako ary andraikitro amin’ny maha olom-pirenena ahy ny mifidy, na dia toa resy lahatra ihany ary aho fa misy fangalaram-bato ny fifidianana. Manoloana izany, tsy omeko tsiny ireo olona tsy mazoto hifidy, na tanora izany na olon-dehibe, satria efa tsy mangarahara intsony ilay rafitra politika. Ho an’ireo tanora manokana anefa dia tsikaritra fa tsy mahafantatra ny andraikiny eo amin’ny firenena izy ireo.”
Manome soso-kevitra sy manentana ireo tanora hifidy
Manoloana ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitry ny tanora na koa ny tsy fahalalan’izy ireo ny andraikiny eo amin’ny fiainana politikan’ny firenena, misy ireo tanora manome soso-kevitra ho fanatsarana izany. Misy kosa ireo mirotsaka an-tsehatra mihitsy hitondra fiovana.
Erico Randriarimalala:
“Maro ny zavatra afaka atao raha te handray anjara amin’ny fiainana politikan’ny firenena. Ohatra: manana zo ianao hanisa vato, fa tsy hoe ny Ceni irery no manao an’izany. Misy ireo tanora mandray andraikitra saingy mbola tsy ampy.Mila apetraka ao anatin’ny mponina ny lanjan’ny hoe fifidianana. Tokony tonga saina ianao fa iankinan’ny dimy taona manaraka ny safidy ataonao.”
Sariaka Razanajatovo:
“Ho an’ny Liberty32 manokana dia misy ny tetikasa Zahavato natolotry ny fikambanana tsy miankina Tolotsoa izay mifototra amin’ny fanentanana ny olom-pirenena, fa indrinra ny tanora, hifidy. Ho hay manokana indray dia mampidi-dresaka momba izany foana aho rehefa mihaona amin’ireo namako any am-pianarana na ireo mpianatra any amin’ny ambaratonga faharoa izay mifampiresaka aminay.”
Samaro Wang Kine Ystalien:
“Tokony asiana “session d’informations” ho an’ny olom-pirenena mba ahafantarany bebe kokoa momba ny fifidianana sy ny andraikiny amin’izany”.
Tsara moa ny manamarika fa afaka hatao ihany koa ny manamarina ny anarana ao anatin’ny lisim-pifidianana amin’ny alalan’ny aterineto, ao amin’ny tranonkala https://liste.ceni-madagascar.mg/elect/rech