Last updated on octobre 9, 2018
Mifantoka amin’ny fanabeazana sy ny fiadiana amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy ny fikambanana Tsimanavaka. Amin’ity taona ity dia nanapa-kevitra ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora ao Manarintsoa izy ireo, amin’ny alalan’ny fananganana ny « bibliothèque de quartier ».
« Bibliothèque de quartier » ao Manarintsoa
Hitsangana amin’ny faran’ity taona ity ny « bibliothèque de quartier » na trano famakiam-boky ao amin’ny faritra Manarintsoa afovoany. Ny fikambanana tsy miankina Tsimanavaka no hanangana izany fotodrafitr’asa izany. Nosafidiana io toerana io satria ao no ahitana ny biraon’ny fikambanana ankehitriny.

cc: Association Tsimanavaka
Araka ny fanazavan’i Andriantompoina Narindra, anisan’ny tompon’andraikitra, ny tanjona amin’ity tetikasa ity dia ny fanampiana sy ny fampianarana ny ankizy sy ny tanora mba hampiakarana ny fahaizana ananan’izy ireo, sy ny fitarihana ny sainy mba hisokatra amin’ny alalan’ny famakiana boky.
Ho hita ao amin’ity tranom-boky ity avokoa na ny boky fianarana, na ny karazam-boky samihafa toy ny “romans”. Hisy ihany koa ny fikambanana fianarana tenim-pirenena frantsay sy anglisy na ny “club de langues”, sy ny “activités manuelles”.[amazon_link asins=’B07BNTSJHD,B01N6M0I9M,B06XS15Y7Z,B01M2YMTCU’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’8dffffe4-c265-11e8-abbd-69fe6e12277c’]
Tanjon’ny fikambanana Tsimanavaka ihany koa ny hananganana tranom-boky manerana ireo faritra iva na “bas quartiers” eto Antananarivo.
Mbola mangataka ny fanampiana avy amin’ireo malala-tanana moa ny fikambanana amin’ny fanatanterahana ity tetikasa ity satria mbola havaozina ny efitra lehibe izay hatao efitra famakiam-boky. Mbola ilàna fanampiana ihany koa ny fandokoana ny efitra sy ny fanaingoana izany.
Fikambanana Tsimanavaka

cc: Association Tsimanavaka
Ny fikambanana Tsimanavaka dia niorina tamin’ny taona 2003. Tanora no mivondrona ao amin’izy io, ary maniry ny hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanatsarana ny fiarahamonina izy ireo. Ny fampandrosoana maharitra amin’ny alalan’ny fanabeazana no tena ifantohan’izy ireo. Eo ihany koa ny fiadiana amin’ny herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizy.
Hahatratrana izany tanjona izany dia maro ny hetsika ataon’ireo tanora ireo, toy ny fanomezana fitaovam-pianarana, ny fikarakarana atrikasa amin’ny fanabeazana ho olom-pirenena, fampiaranana tenim-pirenena isan-karazany, fitsangatsanganana…
Miisa 15 eo ho eo ireo mpikambana amin’ny fikambanana Tsimanavka ankehitriny. Miisa roa ny tetikasa imasoan’ny fikambanana amin’izao fotoana izao: ny voalohany dia ny tetikasa “Share” izay nanomboka ny taona 2015 ary mbola mitohy hatramin’izao. Ity tetikasa ity mifantoka amin’ny fizarana fitaovana ho an’ny ankizy sahirana ao Manarintsoa, ny fanampiana amin’ny fianarana ary ny fanomezana fampiofanana azy ireo ho olom-pirenena.
Ny tetikasa faharoa moa dia ity fananganana “bibliothèque de quartier” ity.